Wikipedia amin'ny teny malagasy

Ny Wikipedia amin' ny teny malagasy dia tetikasa iray an' i Wikimedia Foundation. Ny kaodim-piteny ampiasainy dia "mg", ampiasaina ho an' ny fiteny malagasy amin' ny ankapobeny.

Wikipedia-logo-v2-mg
Wikipedia-logo-v2-mg
Pejy fandraisan'i Wikipedia amin'ny teny malagasy

Ny Wikipedia amin' ny teny malagasy dia nosokafana tamin' ny taona efatra sy roa arivo (2004) ary izy ankehitriny no Wikipedia amin' ny teny afrikanina lehibe indrindra ao anoloan' ny fiteny afrikansa, ny fiteny soahily ary ny fiteny iôroba. Ny isan' ny mpikambana nisoratra anarana ao amin' izao fotoana izao dia manakaiky ny telo alina fa vitsy amin' ireo no tena mpikambana mavitrika. Ny isan' ny mpandrindra dia roa.

Wikipedia lehibe indrindra amin' ny fiteny aty Afrika ny Wikipedia malagasy. Ary izy irery ankehitriny no tetikasa Wikipedia soratana amin' ny fiteny baritô.

Ny toerana misy ny mpiteny malagasy dia aty Madagasikara amin' ny ankapobeny (manodidna telopolo tapitrisa). Na dia izany aza raha oharina amin' ny fiteny hafa izay manana teny teratany ho fiteny ôfisialy, vitsy ny mpitsidika avy any Madagasikara mitsidika ny Wikipedia amin' ny fiteny malagasy[1], ary vitsy ny mpitsidika ny Wikipedia amin' ny teny malagasy eto Madagasikara[2].

Fiteny ampiasaina amin' ny votoatiny hanova

Ny fiteny tena ampiasaina amin' ny fanoratana ny lahatsoratra amin' ny teny malagasy dia ny fiteny malagasy ôfisialy. Na dia izany aza tsy ny fiteny malagasy ôfisialy ihany no azo ampiasaina eto amin' ny Wikipedia amin' ny teny malagasy fa ekena avokoa ireo fitenim-paritra. Araka izany ny kaodim-piteny ampiasaina ho an' ny fiteny malagasy dia "mg" fa tsy "plt", izay natao ho an' ny fiteny malagasy tenenina eo amin' ny faritra afovoan' i Madagasikara.

Tamin' ny volana Aogositra 2012, lasa Wikipedia amin' ny fiteny afrikanina lehibe indrindra ny Wikipedia amin' ny teny malagasy izay nahitana lahatsoratra 38 000 sy mpikambana 4 900. Ny Wikipedia amin' ny teny afrikanina manaraka azy dia ny Wikipedia amin' ny teny soahily sy ny Wikipedia amin' ny teny iôroba izay manana lahatsoratra niisa telo alina ary 24 000. Telo volana sy tapany taty aoriana tamin' ny volana Desambra 2012, dia nihoatra ny efatra alina ny isan' ny lahatsoratra, izay nahatonga ny Wikipedia malagasy ho Wikipedia voalohany indrindra manana lahatsoratra efatra alina.

Daty hanova

  • Aprily 2004 : Daty nanokafany ny Wikipedia amin' ny teny malagasy.
  • Oktobra 2005 : Famaranana ny lahatsoratra fahazato.
  • Aprily 2009 : Arivo ny isan' ny lahatsoratra.
  • Janoary 2010 : Roa arivo ny isan' ny lahatsoratra
  • 6 Mey 2011 : Iray alina ny isan' ny lahatsoratra
  • Androany Alakamisy faha 25 ny volana Aprily 2024, ny Wikipedia malagasy dia manana lahatsoratra miisa 97 127.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova