Ny voromailala (Columbidae) dia fianakaviam-borona izay mizara ho genera efapolo eo ho eo sy karazam-boromailala sy vorona mpihavana aminy miisa 320 mahery. Izy no hany fianakaviam-borona velona ao amin' ny filaharana Columbiformes izay nahitana koa ny fianakaviana Raphidae efa lany tamingana (toy ny Dôdô sy ny Drôntan' i Rodrigues). Ny voamadinika sy ny voankazo ary ny zavamaniry no tena fihinany.

Voromailala

Ny voromailala sy ny fivavahana hanova

Tany Mesôpotamia fahiny, ny voromailala dia biby tandindona nalaza ho an' i Inanna-Ishtar, andriamanibavin' ny fitiavana, ny firaisana ara-nofo ary ny ady. Ny voromailala dia aseho eo amin' ny zavatra momba ny fivavahana amin' ny Inanna tany am-piandohan' ny taonarivo fahatelo tal. J.K. Hita tao amin' ny tempolin' i Ishtar tao Ashur ny sarivongana voromailala firaka, tamin' ny taonjato faha-13 tal. J.K, sy sary hoso-doko avy any Mari, any Siria, mampiseho voromailala goavambe mipoitra avy amin' ny hazo palma ao amin' ny tempolin' i Ishtar, izay milaza fa ilay andriamanibavy mihitsy no ninoana indraindray fa naka ny endriky ny voromailala. Ao amin' ny Epikan' i Gilgamesh, i Utnapishtim dia namoaka voromailala sy goaika mba hitady tany maina; ny voromailala nihodidina fotsiny dia miverina. Tamin' izay vao nandefa goaika i Utnapistima, izay tsy niverina, ary noheverin' i Utnapistima fa nahita tany ny goaika.

Tao Ampiposahana fahiny dia nampiasaina ny voromailala ho marika ho an' ny andriamanibavin ny Kanaanita atao hoe Asera (Asherah). Ny teny grika taloha midika hoe "voromahailala" dia peristerá, izay mety avy amin' ny andian-teny semitika hoe peraḥ Ištar, midika hoe "voron' i Ishtar". Tamin' ny Andro Taloha Klasika, ny voromailala dia masina ho an' ny andriamanibavy grika Afrôdita (Aphrodite), izay nandray an' io fiarahana tamin' ny voromailala avy amin' i Inanna-Ishtar io. ao amin' ny tanimanga fanoratana grikan' ny Andro Taloha dia miseho matetika miaraka amin' ny voromailala i Afrôdita. Ny tempolin' i Afrôdita Pandemôsy (Ἀφροδίτη Πάνδημος / Aphrodítē Pándēmos,"Afrôditan' ny vahoaka rehetra") eo amin' ny tehezan-tendrombohitra atsimo-andrefan' ny Akrôpôlisy Ateniana dia voaravaka sary sokitra voromailala misy fehiloha mifatotra eo amin' ny vavany ary misy voromailala kely sy fotsy ary marbra natao fanati-boady hita ao amin' ny tempolin' i Afrôdita ao Daphni. Mandritra ny fetiben' i Apfrôdita atao hoe Afrôdisia (Aphrodisia) dia diovina amin' ny ran' ny voromailala natao sorona ny alitarany. Nisy fiantraikany tamin' ny andriamanibavy rômana Venosy (Venus) sy Fôrtona (Fortuna) ny fikambanan' i Apfrôdita amin' ny voromailala, ka nahatonga an' ireo andriamanibavy ireo hifandray amin' ny voromailala koa.

 
Sarin' i Nôa nandefa voromailala tamin' ny taonjato faha-12 tamin' ny môzaika venetiana

Ao amin' ny Baiboly hebreo, ny voromailala na ny zana-boromailala dia fanatitra dorana azo ekena ho an' izay tsy mahavidy biby lafo vidy kokoa. Ao amin' ny Genesisy, i Nôa dia nandefa voromailala avy ao amin' ny sambofiara, nefa niverina tany aminy izany satria tsy nihena ny safodrano. Rehefa afaka hafitoana dia nalefany indray ny voromailala, ary niverina sy nitondra sampan' ôliva teo am-bavany, ka hita fa efa nihena ny rano izay nahazoan' ny hazo ôliva maniry. Ny hoe "voromahailala" koa dia teny fiderana ao amin' ny Tononkira Fanaperana (na Tononkiran' i Sôlômôna) sy amin' ny boky hafa ao amin' ny Baiboly. Amin' ny teny hebreo dia midika hoe "voromailala" ny anarana hoe Jôna (יוֹנָה / Ionah). Ny "famantarana an' i Jôna" (araka ny Matio 16) dia mifandray amin' ny "famantaran' ny voromailala".

 
Ny Fanahy Masina midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala tamin’ ny batisan’ i Jesoa, sary naton' i Almeida Júnior

Nanao sorona voromailala ny ray aman-drenin' i Jesoa taorian' ny famorana azy (Lioka 2:24). Taty aoriana, ny Fanahy Masina dia nidina teo ambonin' i Jesoa toy ny voromailala tamin' ny nanaovana batisa azy (Matio), ary avy eo dia nanjary tandindon' ny Fanahy Masina iombonan' ny Kristiana ny voromahailala.

Ao amin' ny finoana silamo, ny voromailala sy ny fianakaviam-borona mitovy aminy amin' ny ankapobeny dia hajaina sy ankasitrahana satria izy ireo no inoana fa nanampy ny mpaminany Mohamady tamin' ny fanelingelenana ny fahavalony teo ivelan' ny lava-bato tao Thaw'r, tamin' ny Hijra lehibe. Nanao akany sy nanatody maro indray mandeha ny voromailala roa, ary nisy hala nanenona tranon-kala, ka tao anatin' ny haizin' ny alina dia nihevitra ireo mpandositra fa tsy ao anatin' io lava-bato io i Mohamady.

Jereo koa hanova