Voromahery volamena

Ny voromahery volamena (Aquila chrysaetos) dia karazana vorona ao amin' ny fianakaviana Accipitridae. Izy io dia vorna mpiremby mivolontsôkôlà antitra, mivolombolamena kokoa eo amin' ny lohany sy ny tendany. Ity vorona ity dia mampiasa ny fahaizany sy ny hafainganam-panidiny ary ny hohony mahery hisambotra ny rembiny, toy ny bitro sy ny mitovitovy aminy, ny biby lehibe misy nono toy ny amboahaolo, ny saka (sakadia sy ny saka an-trano), ny zanak' osin-tendrombohitra, zanak' osidia isan-karazany (bouquetins), ary ny zanaka diera (na serfa) sy ny mitovitovy aminy. Mihinana fatim-biby koa izy, raha vitsy ny remby, ary koa biby mandady na mikisaka. Ny vorona, anisan' izany ny karazay goavam-be toy ny karazan-gisabe (cygne) na ny karazam-banobe (grue), ny karazan-goaika maity ary ny vareva-dranomasina (goéland marin) dia mety ho rembiny koa.

Voromahery volamena
Ao amin' ny akaniny

Ny voromahery volamena dia miaro fari-tany hatramin' ny 155 km2. Tokam-bady izy ary afaka miara-mipetraka mandritra ny taona maromaro na mandritra ny androm-piainana mihitsy aza ny mpivady. Manao akany eny amin' ny toerana avo izy ireo, eny amin' ny hantsana, amin’ ny hazo na amin' ny zavatra naorin’ olombelona toy ny andrin-telefônina. Manao akany lehibe izy ireo izay iverimberenany mandritra ny taona maromaro. Manatody iray ka hatramin' ny efatra ny vavy, ary ny ray aman-dreny roa no mikotrika azy mandritra ny 40 ka hatramin’ ny 45 andro. Matetika dia zanany iray na roa ihany no tafavoaka velona mandra-pahatongan' ny fotoana ahafahany manidina, amin' ny fahatelo volana eo ho eo.

Taloha izy ireo dia niely patrana amin’ ny faritra avaratry ny zana-pehintany Asorotany (Amerika Avaratra, Afrika avaratry ny tangorom-bohitra Atlas sy i Eorazia avaratry ny tendrombohitra Himalaya), nefa nanjavona tamin' ny faritra maro be olona mipetraka. Na dia efa lany tamingana na tsy fahita firy aza amin’ ny toerana sasany, dia mbola fahita any Eorazia, any Amerika Avaratra ary any amin' ny faritra sasany any Afrika io karazam-borona io. Ny voromahery volamena dia manana akany be dia be mifanizina any amin' ny faritra atsimo amin’ ny kôntean' i Alameda, California, any Etazonia.

Ny zana-karazana eoraziana dia ampiasain' ny olona hihaza sy hamono lopa any amin' ny faritra maro. Io voromahery io dia voaaro any amin' ny firenena maromaro nanomboka tamin' ny taona 1970.

Faritra ahitana ny voromahery volamena: fonenany maharitra (maitso antitra), fanamboarany akany (maitso tanora), fandaniany ny ririnina (manga)

Ny voromahery volamena, izay manao akany indrindra eny amin' ny hantsana, dia hita amin' ny tendrombohitra any Eorazia, toy ireo Alpa sy Pirenea, any Azia Atsinanana, any Magreba ary any Amerika Avaratra: niharan' ny fanenjehana izy ireo ka nandositra ny tany lemaka ary saika lasa monina an-tendrombohitra. Izy io koa dia monina amin’ ny sisin-tanin' ireo faritany ireo sy ny faritra malalaka amin' ny ala bôrealy any Rosia, any amin’ ny firenena baltika sy any Skandinavia ary koa any Ekôsy, indrindra ao amin' ny Nosy Skye. Misy voromahery volamena maro koa manao akany eny amin' ny faritra avo any Etiôpia. Ny voromahery sasany dia somary mpifindra monina, ny hafa miorim-ponenana. Mandrakotra 22 ka hatramin’ny 33 km2 ny fari-tanin' ny mpivady iray.