Ny Vetus Latina na Vetus Itala dia anarana iombonana iantsoana ny dikan-teny tranan' ny Baiboly amin' ny teny latina talohan' ny Volgata izay nadika avy tamin' ny lahatsoratra amin' ny teny grika. Efa tany amin' ny taonjato faha-2 ny tranainy indrindra amin' ireo Baiboly atao hoe Vetus Latina ireo. Samihafa ny fomba nandikana ireo Baiboly ireo ary tsy nisy fanaraha-mason' ny mpiandraikitrra ny fiangonana ka betsaka ny zavatra tsy tena tandrify hita ao.

Tsy nampiasaina intsony ny Vetus Latina rehefa nivoaka ny Volgata izay dikan-teny latinan' ny Baiboly nataon' i Hieronimo avy any Stridona izay nataony avy tamin' ny lahatsoratra hebreo sady nampiasaina tao amin' ny Fiangonana kristiana latina.

Jereo koa hanova