Vavaka dimy fanao isan' andro (silamo)

Ny vavaka dimy fanao isan' andro na Salat no andry faharoa ao amin' ny finoana silamo. Isan’ andro dia tokony manatanteraka ireo vavaka dimy tsy maintsy atao ireo ny mpino. Tsy atao anefa izy ireo raha tsy efa vita ny fombafomba fidiovana. Atao amin' ny teny arabo hoe صلاة / ṣalawāt izany. Tsy maintsy ataon' ny Mozilmana rehetra ny vavaka, afa-tsy ireo izay mbola tsy niala sakana sy ireo vehivavy tonga fotoana na tera-bao.

Ireto ny fotoana anatanterahana ireo vavaka ireo:

  1. alohan’ ny hiposahan’ ny masoandro (صلاة الفجر / ṣalāt al-faǧr "vavaka alina");
  2. amin’ ny mitataovovonana (صَلَاة ٱلظُّهْر / Ṣalāt aẓ-Ẓuhr; "vavaka antoandro");
  3. eo antenanten’ ny tolakandro (صلاة العصر / ṣalāt al-ʿaṣr, "vavaka tolakandro);
  4. vantany vao milentika ny masoandro (صلاة المغرب / ṣalāt al-maġrib "vavaka amin' ny filentehan' ny masoandro");
  5. alohan’ ny misasakalina (Aصلاة العشاء / ṣalāt al-ʿišāʾ"vavaka amin' ny alina").

Mitodina mankany amin’ ny Kaaba sy miondrika ary mandohalika araka ny fombafomba voafaritra mazava tsara rehefa manatanteraka ireo vavaka ireo.

Ialohavan' ny fidiovana (arabo: الوضوء / 'al-wuḍū) sady tanterahina indimy isan'andro izany. Averimberina ny andian-teny atao rakʿah (arabo: ركعة) na rakaʿāt (arabo:ركعات, raha milaza maro) raha anaovana asa (fihetsika) sy lahateny tsy maintsy tanterahina. Ny isan' ny rakaʿāt tsy maintsy atao dia mety ho roa hatramin' ny efatra arakaraka ny fotoana ao amin' ny andro na ny toe-javatra hafa (toy ny fivavahana amin' ny andro Zoma izay anaovana rakaʿāt roa).

Jereo koa hanova