Bandro

(tonga teto avy amin'ny Vari bolo)

Ny bandro (Hapalemur alaotrensis) dia karazana gidro na varika. Izy io dia tsy misy afa-tsy amin' ny bararata ao amin' ny Farihy Alaotra sy ny manodidina, any avaratra-atsinanan' i Madagasikara. Manodidina ny 40 sm ny halavany, mitovitovy ny rambony, ary miloko volondavenona mivolontsôkôlà. Izy io no hany varika mihinanana zozoro papirosy (Cyperus papyrus), sy bararata ary ahitra hafa. Nihena ny isan'io biby io noho ny fahapotehan' ny toeram-ponenany ary ny Vondrona Iraisam-pirenena Momba ny Fiarovana ny Zavaboary (anglisy: International Union for Conservation of Nature - IUCN) dia nanamarika azy ho "tandindomin-doza".

Bandro

Ny mombamomba azy hanova

Ny rambony sy ny vatany dia samy 40 sm ny salan'isa, ary milanja 1,1 ka hatramin' ny 1,4 kg, ary ny lahy dia lehibe noho ny vavy. Mivolontsôkôlà ny volony matevina mivolombolamena, volondavenona maivana kokoa eo amin'ny tarehiny sy tratrany, ary volontsôkôlà eo amin'ny lohany sy ny tendany.

Tontolo iainana hanova

Io varika io no hany biby azo ampifanarahana amin'ny fiainana anaty zozoro papirosy. Tsy toy ny varikam-bolotsangana hafa, ny bandro dia tsy mihinana volotsangana; fa ny rantsan'ny zozoro papirosy (Cyperus papyrus), ny sampan' ny volontsangana (Phragmites communis), ary ny karazana ahitra roa hafa (Echinochloa crus-galli sy Leersia hexandra) no haniny.

Sata hanova

Mihena ny isan' ny bandro satria potika sy avadika ho tanimbary ny toeram-ponenana sahaza manodidina ny farihy. Ny loza hafa dia ny fandoroana ny honahona sy ny fihazana ny bandro ho sakafo ary ny fivarotana azy. Ny Vondrona Iraisam-pirenena misahana ny Fiarovana ny Zavaboahary (anglisy: International Union for Conservation of Nature - IUCN) dia nanamarika fa "tandindomin-doza" ity biby ity, saingy tamin' ny taona 2007 dia nisy faritra arovana vaovaomirefy 42 478 ha natsangana manodidina ny farihy izay tokony hanome fiarovana ny bandro. Ny Durrell Wildlife Conservation Trust dia manana fandaharan' asa momba ny fiarovana ny bandro, ary misy ny fiompiana bandro sasany atao any amin' ny toeram-pijerem-biby. Voatanisa ao amin' ny lisitra CITES Appendix I ny bandro.

Loharano hanova