Tsy fetezan-dison' ny Papa

(tonga teto avy amin'ny Tsy fetezan-dison'ny Papa)

Ny tsy fetezan-dison' ny Papa dia foto-pampianarana na tenim-pinoan' ny Fiangonana katôlika rômana izay milaza fa eo am-panatanterahana ny fahefany dia tsy mety ho diso ny Papa raha manao fanambaràna noho ny fananany fahefana apôstôlika fara-tampony momba ny finoana sy ny fitodran-tena sy noho ny fanampian' Andriamanitra izay miaro azy amin' ny mety ho fahadisoana. Notoherin' ny Prôestanta izany sady niteraka fisarahan' ny Fiangonana katôlika tranainy tamin' ny Fiangonana katôlika rômana.

Ny Papa Pio IX (1792–1878)

Fanambaràna ny tsy fetezan-dison' ny Papa hanova

Famaritana ny tsy fetezan-dison' ny Papa hanova

Araka ny famaritana nankatoavina sy navoakan' ny Kônsily Vatikàna I tamin' ny taona 1870, tamin' ny andron' ny papa Pio IX, dia azo lazaina ho manome fampianarana tsy mety diso ny papa:

  • raha miteny "avy eo amin' ny fiketrahana" (latina: ex cathedra), izany hoe amin' ny maha mpiandry ondry sy maha mpampianatra azy ary ny fananany fahefana apôstôlika fara-tampony;
  • raha miteny izy ka manana tanjona hampihatra izany amin' ny Eglizy manontolo;
  • raha zavatra momba ny finoana na ny fitondran-tena ampianarina amin' ny maha anisan' ny fanambaràn' Andriamanitra nampitaina hatramin’ ny andron' ny Apôstôly ny zavatra faritany.

Tsy heverina ho tsy mety diso ny Papa raha manambara ny heviny manokana.

Fanamarinana ny tsy fetezan-dison' ny Papa hanova

Lazain' ny mpomba ilay fampianarana fa ny tsy fetezan-dison' ny Papa dia efa hita taratra tao amin' ny fampianaran' ny Rain' ny Fiangonana. Fahasoavana na fanomezan' Andriamanitra, izay loharano tokana nipoiran' ny tsy fetezan-diso, voamarina ao amin' ny Baiboly sy ny teôlôjia. Anisan' ny andalana ao amin' ny Soratra Masina anohanany hevitra ny lahateny fanaovam-beloma ao amin' ny Evanjelin' i Jesoa nosoratan' i Masindahy Joany, indrindra ny fampanantenany ny Fanahin' ny fahamarinana (Joa. 14.17; 15.26; 16.13). Ny tsy fetezan-diso dia tsy afaka miasa raha tsy momba ny foto-pampianarana miorina amin' ny Soratra Masina sy ny lovam-pinoana tranain' ny Eglizy, izay tsy azon' iza na iza toherina; noho izany dia tsy azo ambara ho tsy mety diso ny foto-pampianarana vaovao taty aoriana.

Ny fiangonana mandà ny tsy fetezan-dison' ny Papa hanova

Ny Fanavaozam-piangonana prôtestanta hanova

Notoherin' ny Prôtestanta izany fampianarana ny amin' ny tsy fetezan-dison' ny Papa izany satria amin' izy ireo dia Andriamanitra irery ihany no tsy mety diso.

Ny Fiangonana katôlika tranainy hanova

Nisy mpino katôlika maro, dia ny tany Alemaina sy Soisa sy Hôlanda sy amin' ny tany hafa koa, izay nanda ny fanapahan-kevitry ny Kônsily Vatikàna I, indrindra ny amin' ny tsy fetezan-dison' ny Papa. I Loos, arsevekan' i Utrecht dia nanohitra izany ka tamin' izany dia nivoaka ny tenim-panorenana ilay fiangonana vaovao, dia ny Fanambaràna tao Utrech tamin' ny taona 1889.

Fampiharana ilay tenim-pinoana hanova

Hatramin' ny taonjato faha-19 dia fanambaràna roa nampiharana ny tsy fetezan-dison' ny Papa no nivoaka tao amin' ny Eglizy katôlika rômana:

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova