Ny trondro dia karazana hazandrano rakotra kira, ary ny fivoy no hihetsehany ao anaty rano, biby manan-taolan-damosina velona anaty rano ary miaina amin' ny alalan' ny sagoaga. Izy ireo dia velona nanomboka tamin' ny tenatenan' ny fotoana faha-kambrianina. Manana ra mangatsiaka ny ankamaroan' ny kazaran-trondro.

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka biby ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Trondro

"Karazana hazandrano somary fisapisaka, ny tenany rakotra kira masaisay ary manam-pitaovana ahafahany mihetsika ao anaty rano: vombony iray ao an-damosiny, fivoy milaha-droa eo ambany tratrany sy ambany kibony, fivoy iray indray ao am-poto-kibony, ary ny rambony, izay mikapoka miankavia sy miankavanana rehefa mitsoriaka izy; misy karazany roa ny trondro: ny trondron-dranomamy sy ny trondron-dranomasina; manatody ny trondro amin' ny fararano, izay foy amin' ny voalohandohan' ny ririnina. Anisan' ny tsara sy matsiro ny trondro; laokandrano, laoka"[1].

Matetika afangaron' ny olona ny hevitry ny teny hoe trondro sy hazandrano, nefa ny hoe hazandrano dia "anarana iraisan' ny biby fanjono"[2].

Karazan-trondro hanova

Trondro:[3][4][5][6]

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Rajemisa-Raolison Régis, "Trondro" ao amin' ny Rakibolana malagasy, Editions Ambozontany, Analamahitsy, Antananarivo, 2003
  2. "Hazandrano" ao amin' ny Voambolana malagasy-malagasy (frantsay), 1986. Service de la Logistique Pédagogique / Ministère de l'Enseignement Secondaire et de l'éducation de Base, Antananarivo.
  3. Blench, Roger. Notes on Malagasy fish names.
  4. Bauchot, M-L. & G. Bianchi 1984. Guide de poisons commerciaux de Madagascar (espèces marines et d’eaux saumâtres). Rome : FAO.
  5. Pellegrin, M. Jacques 1933. Les poissons des eaux douces de Madagascar et des iles voisines (Comores, Seychelles, Mascareignes). Tananarive : G. Pitot et Cie.
  6. Richmond, M.D. 2002. A field guide to the seashores of Eastern Africa and the Western Indian Ocean islands (2nd ed). Milan: SIDA/SAREC - University of Dar es Salaam.