Ny Tontolo Vaovao dia i Amerika sy i Ôseania, mifanohitra amin' ny Tontolo Tranainy (Eorôpa sy Afrika ary Azia). Nampiasaina tamin' ny taonjato faha-16 ny teny hoe Tontolo Vaovao mba hilazana ireo tany vao hitan' ny Eorôpeana any ampitan' ny Ranomasimbe Atlantika, rehefa nazava fa ilay nantsoina hoe "India Andrefana", raha ny marina, dia kôntinenta, vaovao amin' ny Eorôpeana. Ilay mpanao sarin-tany atao hoe Martin Waldseemüller no nanome anarana azy hoe "Amerika" tamin' ny taona 1507, mba hanomezam-boninahitra an' i Amerigo Vespucci, mpahita tany vaovao.

Sarin-tany maneho nyTontolo Vaovao (miloko maitso) sy ny Tontolo Tranainy (miloko volombatolalaka)