Toetanim-pehiben-tany

Ny toetanim-pehiben-tany na toetany ekoatôrialy dia toetanin' ny faritra manodidina ny fehiben-tany izay mafana sy mando: tsy mihoatra ny 35 °C ny maripana noho ny fietona, nefa tsy maintsy ambonin’ ny 18 °C noho ny fihazonan’ ny rahona ny hafanana. Tsy dia misy fiovany firy ny maripana mandritra ny andro sy mandritra ny taona. Misy fizaràn-taona roa manorana izany faritra izany, dia manodidina ny volana Marsa sy Septambra. Ao amin’ izany faritra izany no ahitana ireo toerana be ala indrindra eto an-tany, dia ny ala any Amazônia any Amerika Atsimo sy ny ala any Indônezia any Azia.

Jereo koa hanova