Tisry (volana hebreo)

Ny Tisry dia volana fahafito ao amin'ny tetiandro litorjika hebreo fa volana voalohany kosa ivelan'ny fivavahana. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe תִּשְׁרֵי / Tishré na תִּשְׁרִי / Tishrí io volana io. Ity volana ity dia manitsaka ny volana Septambra sy Oktobra ka misy 30 andro. Talohan'ny fahababoana tany Babilona dia atao hoe Etanima (hebreo: אֵתָנִים / Ethanim) araka ny hita ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 8.2).

Jereo koa hanova