The Coca-Cola Company

The Coca-Cola Company dia anisan'ny orinasa lehibe mivarotra zava-pisotro eto amin'izao tontolo izao, ary anisan'ny orinasa amerikanina lehibe indrindra. Ny nampalaza io orinasa io dia ny zava-pisotro varotany : Coca-Cola. Izy io dia marika napetraka ny taona 1887.

Fisotroana Coca-Cola isan-taona araka ny firenena
Coca Cola

Ny foibeny dia any Atlanta, Jeorjia, ao atsimo atsinanan'i Etazonia. Ny lehiben'ilay orinasa dia i Muhtar Kent.

Orinasa mpametraka an-tavoahangy hanova

Amin'ny ankaponbeny, manome ny sirop hanaovana ilay zava-pisotro fotsiny ny orinasa The Coca-Cola Company (TCCC), ka afaka miasa amin'ny fametrahana an-tavoahangy ireo orinasa eo an-toerana izay manana ny franchise Coca-Cola. Rehefa manana izany ireo orinasa, dia izy irery no afaka mametraka an-tavoahangy ilay zava-pisotro eo amin'ny toerana voafaritra. Ireo mpizara tavoahangy ireo no mivarotra ary mizarazara ny zava-pisotro Coca-Cola amin'ny tranombarotra, mpizara ary trano fisakafoanana.