Ny tetiandro sinoa dia tetiandro manara-bolana sy masoandro ka ny volana iray dia manomboka amin' ny fahatsinan' ny Volana ary ny iray taona dia ahitana volana roa ambin' ny folo na indraindray telo ambin' ny folo.

Araka ny lovantsofina dia ny "Emperora Mavo" no namorona ny ny tetiandro sinoa voalohany tamin' ny taona 2637 tal. J.K. ka nampiharina hatramin' ny taona nahaterahany (2697 tal. J.K.) na ny taona nitsaihany (2698 tal. J.K.) izany

Ny tantsaha no mampiasa bebe kokoa ny tetiandro sinoa mba hiatrehany ny asa fambolena ara-potoana sy hanaovany ny fety nentim-paharazana na ara-pivavahana toy ny taom-baovao sinoa na ny fetin' ny antsasaky ny fararano. Ny fanadroana sinoa koa dia avy amin' ny tetiandro sinoa.

Ny mponina sinoa tsy isan' ny foko hàna dia manana ny tetiandro azy manokana izay mbola ampiasain' ny vahoaka vitsy anisa ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina mba hamaritany ny fotoana tokony hankalazany fety.

Jereo koa hanova

Antokon-kintan' ny zôdiaka sinoa: