Tetiandro manara-bolana

Ny tetiandro manara-bolana dia tetiandro ahitana volana mitovitovy faharetana amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana amin'ny Tany (29 na 30 andro) nefa tsy mampifanandrify ny tsingerin-taona amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro na amin'ny tsingerin'ny fizaran-taona. Ny faharetan'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana dia 29,5305882 andro nefa ny iray volana dia tsy maitsy misy andro maromaro feno (samy maharitra 24 ora) fa tsy mitovy amin'io isa eo ambony io. Ny tetiandro miozolmana no tetiandro manara-bolana tanteraka.

Ny volana hanova

Matetika dia misy 29 na 30 andro ny iray volana ao amin'ny tetiandro manara-bolana (amin'ny heviny hentitra) sady tsy maintsy miisa 12 ao anatin'ny iray taona.

Ny taona hanova

Maharitra 354,3670584 andro ny salam-paharetan'ny taona iray ao amin'ny tetiandro manara-bolana, nefa noho ny taona tsirairay izay tokony hisy andro feno dia maharitra 354 na 355 andro izany, izany hoe latsaka 10 na 11 andro raha mitaha amin'ny taona amin'ny tetiandro gregoriana.

Jereo koa: hanova