Ny tendrotany dia ny tampony roa, atsimo sy avaratra, amin' ny bolantany, tendron' ilay teza tsy hita maso mipaka amin' ny velaran' ny Tany, heverina fa ihodinany. Samy manana ny tendrony koa ny zava-mitsingevana eny amin' ny habakabaka (ny planeta, ny volana sy ny satelita hafa, ny masoandro sy ny kintana).

Ny Tany mihodina

Ny tendrontany roa hanova

Tendrontany avaratra hanova

Ny tendrontany avaratra dia toerana ara-jeôgrafia any avaratra indrindra eto an-tany, any ampovoan' ny ranomasimbe Arktika. Eo anelanelan' ny -43 °C sy 0 °C ny hatsiaka any amin' ny tendrontany avaratra, izay no mampisy ny ranomandry lalandava any amin' ny tendrontany.

Tendrontany atsimo hanova

Ny tendrontany atsimo dia ny teboka farany atsimo indrindra eto amin' ny Tany. Ao amin' ny kôntinenta Antarktika no misy azy. Io no teboka ihaonan' ny laharan-jara hasina rehetra any atsimo indrindra.

Ny toetanin-tendrontany hanova

Ny faritra misy ny toetanin-tendrontany dia eo anelanelan’ ny faribolan-tendrontany sy ny tendrontany. Tsy dia misy firy ny rotsak’ orana ary ny maripana dia ambany dia ambany, mahalana raha hihoatra ny 0 °C. Rakotra ranomandry mandrakariva ireo faritra ireo. Rakotra ranomandry i Arktika izay ahitana an’ i Goenlandy sy i Siberia any avaratra. Toraka izany koa i Antarktika any atsimo, izay efa nahitana hatsiaka mahatratra -88 °C. Mety mahatratra 3 000 m ny hatevin’ ny ranomandry amin’ izany.

Jereo koa hanova