Tendrombohitra Sinay

Ny tendrombohitra Sinay na tendrombohitra Sinaia dia tendrombohitra any Egipta (na Ejipta) izay hita ao amin'ny tany efitr'i Sinay sady mahatratra 2 285 m ambonin'ny ranomasina. Atao hoe جبل موسى / Djebel Musa (izay midika hoe "tendrombohitr'i Mosesy") izy amin'ny teny arabo, fa הר סיני / Har Sinai (izay midika hoe "tendrombohitra Sinay") kosa amin'ny teny hebreo, amin'ny teny arabo egiptiana kosa dia Gabal Musa.

Ny tampon'ny tendrombohitra Sinay

Malaza io tendrombohitra io ao amin'ny lovantsofin'ny Baiboly noho izay voalaza fa toerana nihaonan'i Mosesy na Môizy tamin' Andriamanitra voalohany teo amin'ny roimemy nirehitra, araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy na Eksaody (Eks. 3.1 - 4.17) sady nandraisany ny Didy Folo (Eks. 20.1-17) ary nandraisany lalàna maro hafa koa ho an'ny vahoaka hebreo (Eks. 19.1 - 31.18). Ankehitriny dia maro ireo toerana heverina fa nisehoan'io tantara io nefa ny toerana tena nisehoany dia tsy fantatra mazava.

Jereo koa hanova