I Teispesy dia mpanjakan' i Persia nanomboka tamin' ny taona 675 tal. J.K. hatramin' ny taona 640 tal. J.K., izay nandimby an' i Akemenesy rainy. Teo anelanelan' ny taona 674 sy 670 izy dia niondrika teo anatrehan' i Faraôrtesy (grika: Φραόρτης / Phaortês) mpanjakan' ny Mediana. Atao hoe Τεΐσπης / Teispês izy amin' ny teny grika.

Rehefa maty i Teispesy dia nizara roa tamin' ireo zanany roa ny fanjakana persiana, ka i Kirôsy I lasa mpanjakan' i Parsômà sy i Ansàna, fa i Ariaramnesy kosa lasa mpanjakan' i Parsia.

Jereo koa hanova

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.