Ny tanàna-fanjakana dia erana ara-jeôgrafia fehezin' ny tanàn-dehibe iray manokana, izay amin' ny ankpobeny manana ny fiandrianana. Ara-tantara dia isan' ny tanàna-fanjakana i Rôma sy i Atenay (na Atena) ary ireo tanàna-fanjakana tao Italia. Vitsy ihany ny tanàna-fanjakana mbola misy ankehitriny. Anisan' ny heverin' ny maro ho tanàna-fanjakana i Singapôro, Mônakô ary i Vatikàna.

Misy fanjakana hafa izay manana ireo toetra maha tanàna-fanjakana ka heverina fa tanàna-fanjakàna môderna. Anisan' izy ireo i Malta sy i Bareina ary i San-Marîno (Saint-Marin), izay fanjakana bitika ahitana mponina makitroka dia makitroka. Toraka izany koa i Katara sy i Broney ary i Kôety, izay samy manana tanàn-dehibe ahitana ny ampahany be amin' ny mponina, nefa misy tanàna hafa miavaka tsara ankoatry ny renivohitra.

Maro koa ireo tabàn-dehibe tsy manana fiandrianana nefa manana fizakan-tena avo dia avo ka indraindray heverina ho tanàna-fanjakana. Anisan' izany i Hong Kong sy i Macao, ary ireo tanàn-dehibe sasany ao amin' ny Emirata Arabo Miray, indrindra i Dubai sy i Abou Dabi.