38°04′48″N 46°17′31″E / 38.080000°N 46.291900°E / 38.080000; 46.291900

Tabriz
Velarantany NC
Isam-ponina 1 424 641 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna NC
Firenena  Iran
Faritany Azerbaijàna Atsinanana
Faritra NC

I Tabriz dia tanàna ao amin' ny faritanin' i Azerbaijàna-Atsinanana, ao amin' ny faritra avaratra-andrefana amin' i Iràna, eo amin' ny lalan' ny renirano Talkheh, akaikin' ny farihy Urmia. Any amin' ny haavo 1370 m ambonin’ ny ranomasina no misy azy, izay ivo-toeran' ny taozavabaventy (fanamboarana fitaovana mekanika sy fitaovana mandeha amin' ny herinaratra, asa hoditra, fanadiovana solitany), sy ny raharaham-barotra ho an’ ny vokatra avy amin' ny faritra fambolena manodidina, ary koa fihaonan-dalana sy fihaonan’ ny lalamby. Ao no misy ny Môskea Manga (Masjed-e Kabūd) mahatalanjona, niorina tamin' ny taonjato faha-15, sy ny toerana mimanda naorina tamin' ny taonjato faha-14. Foibe ara-kolontsaina io tanàna io izay manana oniversite niorina tamin’ ny taona 1949.

I Tabriz ankehitriny dia naorina eo amin' ny toerana nisy an’ i Tauris (na Turus) fahiny, tanàna voaaro manda an' i Iràna fahiny. Simba be i Tabriz nandritra ny taonjato maro noho ny horohoron-tany, indrindra fa tamin' ny taona 858 sy 1041 ary 1721, ary ireo koa vokatry ny natan' ny Ilkanida sy ny Môngôliana ary ny Safavida nifandimby nanani-bohitra. Nobodoin' ny tafika rosiana ilay tanàna tamin’ ny taona 1827 sy 1828 ary tamin' ny 1946 izy no toeran' ny Repoblika Demôkratikan' i Azerbaijàna naharitra ela.

Jeôgrafia hanova

Ny isan' ny mponina dia 1 424 641 tamin' ny taona 2015[1], fa 1 558 693 kosa izany tamin' ny taona 2016.

Toetany hanova

Jereo koa hanova

Tsiahy hanova

  1. Iràna ao amin'i geonames.org, novangiana ny 9/ 3/2019
 
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Iràna ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.