Sôtsinianisma

(tonga teto avy amin'ny Sotsinianisma)

Ny sôtsinianisma dia fampianarana kristiana avy amin' ireo Italiana atao hoe Lelio Sozzini sy Fausto Sozzini izay mandà ny fampianarana ny amin' ny Trinite, sady anisan' ny fampianarana ao amin' ny firehena liberaly (mandala ny fahalalaham-pisainana). Nohelohin' i Vatikàna ny Sotsiniana izay nanda ny fahamaroan' ny persônan' Andriamanitra sady nihevitra fa mifanohitra amin' ny fisainana marina izany. Manakaiky ny hevitry ny Onitariana ny sotsinianisma izay mino fa tokana ny persônan' Andriamanitra. Tsy mino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa izy ireo noho izany.

Jereo koa hanova