Ny sora-baventy dia litera atao lehibe kokoa sady amin' ny ankapobeny amin' ny endrika hafa izay anoratana ny litera volohany amin' ny anaran-tsamirery na atao endriky ny litera voalohany anombohan' ny fehezanteny iray. Tsy afangaro amin' ny hoe renisoratra ny hoe sora-baventy. Ny mifanohitra amin' ny sora-baventy dia ny sora-madinika. Tsy ny abidy rehetra no ahitana fiavahan' ny sora-baventy amin' ny sora-madinika. Ohatra ny abidy latina sy ny abidy grika dia manavaka ny sora-baventy amin' ny sora-madinika fa ny abidy hebreo sy ny abidy arabo dia tsy manavaka izany.

Jereo koa hanova