I Somatra dia nosy ao andrefan' i Indônezia, anisan' ny Vondronosy Sonda, ao Azia Atsimo-Atsinanana, sady mipetaka amin' ny fehiben-tany, ao atsimon' ny Saikanosy Maley. Mirefy 473 481 km2, ny velarany, ka nosy fahafito lehibe indrindra eto amin' izao tntolo izao izy noho izany, mihoatra kely ny nosy Papoazia-Ginea-Vaovao sy an' i Soeda. Manana halava mirefy 1 800 km sy sakany mahatratra 435 km amin' ny faritra sasany izy. Ny Andilan-dranomasina Sonda no manasaraka azy amin' ny nosy Java ary ny Andilan-dranomasina Malaka no manasaraka azy amin' ny Saikanosy Maley.

Sarintany maneho ny toerana misy an' i Somatra

Tamin'ny taona 2019 izy dia nisy mponina miisa 58,5 tapitrisa. Ny ankamaroan' ny mponina ao dia Mozilmàna, nefa ahitana Kristiana sy Bodista ary Hindoista koa ao.

Jereo koa hanova