Siansa ara-tsôsialy

(tonga teto avy amin'ny Siansa ara-tsosialy)

Ny siansa ara-tsôsialy na siansa ara-piaraha-monina na siansa sôsialy na siansan' ny fiarahamonina dia vondron-taranja siantifika mandinika ny toetra ara-tsôsialy sy ny zava-misy amin' ny olona. Ampififanoherina amin' ny siansan' ny zavaboary sy ny siansa marina ny siansa sôsialy.

Ny siansa sôsialy dia andalinana ny fiarahamonin' ny olombelona, sy ny fifamalian' asa ara-piarahamonin' ny olona tsirairay sy ny vondron' olona ary ny tontolo manodidina azy. Arakaraka ny fomba fiasa, ny siansa sôsialy dia mety hiraika mankany amin' ny siansan' ny zavaboary sy ny siansan' ny fahalalana, na mankany amin' ny filôzôfia sy ny fiolonana.

Maro ireo taranja ao amin' ny siansa sôsialy, dia ny sôsiôlôjia, ny psikôlôjia, ny ekônômia, ny demôgrafia, ny fitantanana, ny teôrian' ny fandaminana, ny jeôgrafia, ny siansa pôlitika, ny tantara, ny antrôpôlôjia, ny etnôlôjia, ny etnôgrafia, ny seksôlôjia, ny kriminôlôjia, ny haiteny, sns.

Araka ny dika notsorina avy amin' ny rakibolana, ny siansan' olombelona dia mandinika ny kolontsain' ny olombelona, ny tantarany, ny zava-bitany, ny fomba fiainany sy ny toetran' ny tsirairay sy ny fiarahamonina, kanefa ny siansa ara-tsôsialy dia mandinika ny fiarahamonin' ny olombelona, izay mamondrona ny olombelona amin' ny antony maro samihafa. Ny siansan' ny mahaolona sy ny siansa ara-tsôsialy dia mifanatrika amin' ny siansan' ny zavaboary sy ny siansan' ny tontolo iainana. Ireo mitondra amin' ny fomba manokana, ny fifanatrehan' ny filôzôfia natoraly sy ny filôzôfia môraly (misy ny sosiôlojia, ny pôlitika, ny toekarena sns.). Ny fiteny anglisy momba ny siansa sôsialy dia niseho tamin' ny taona 1824 ao amin' ny bokin' i William Thompson: An Inquiry into the Principles of the Distribution of Wealth Most Conducive to Human Happiness; applied to the Newly Proposed System of Voluntary Equality of Wealth.

Rohy ivelany hanova

miteny frantsay hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.