Seleokosy IV Filopatora

I Seleokosy IV Filopatora dia mpanjaka seleokida tao Siria izay nanapaka tamin'ny taona 187 hatramin'ny 175 tal. J.K. Nandimby an'i Antiokosy III rainy izy.

Teraka tamin'ny taona 218 tal. J.K. ary maty tamin'ny taona 175 izy. I Laodike III avy any Pontosy (na Ponto)[1] ny reniny. I Laodike IV (anabaviny) no vadiny ka niterahany an'i Demetriosy I sy i Laodike V (vehivavy).

Na dia reraky ny ady nataon'i Antiokosy III tamin'i Roma aza ny empira seleokida dia mbola nidadasika ka nahafaoka an'i Siria, i Kilikia (na Silisia)[2], i Palestina, i Mesopotamia ary ampahan-tanin'i Iràna ankehitriny. Ny fandoavana onitra tamin'i Romana dia niteraka fahasahiranana ara-bola nandritra ny fitondran'i Seleokosy IV, izay voatery nadefa ny zanany lahy (i Demetriosy I) ho takalon'aina tany Roma, hisolo ny rahalahiny Antiokosy IV.

Nandefa an'i Heliodorosy (na Heliodoro) ministrany tany Jerosalema tamin'ny taona 176 sy 175 tal. J.K. i Seleokosy IV mba handroba ny fanaky ny Tempoly. Rehefa niverina avy any i Heliodorosy dia namono an'i Seleokosy tamin'ny taona 175 tal. J.K. noho ny nahazoany ny fon'ny miaramila maro tamin'ny harena azony. Rehefa tafaverina avy tany Roma i Antikosy rahalahin'i Seleokosy IV dia namono an'i Heliodorosy ka nandimby an'i Seleokosy IV teo amin'ny fitondrana sady antsoina hoe Antiokosy IV Epifanesy.

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. I Pontosy na Ponto (grika: Πόντος / Póntos) dia faritra manodidina ny Ranomasina Mainty (ranomasina izay notondroina koa amin'ny anarana hoe Πόντος Ἄξεινος / Póntos Áxeinos)
  2. I Kilikia na Silisia (latina: Cilicia; grika: Κιλικία / Kilikia) dia faritra tamin'ny Andro Taloha ao amin'ny tapany atsimon'i Azia Minora.