Seleokosy III Sotera

I Seleokosy III Sotera, izay atao hoe Seleokosy Keraonosy koa, dia mpanjaka seleokida tao Siria nanapaka tamin'ny taona 226 hatramin'ny 223 tal. J.K. Izy no nandimby an-drainy Seleokosy II Kalinikosy teo amin'ny fitondrana.

Vola misy ny sarin'i Seleokosy III Keraonosy

Niady matetika tao Anatolia[1] tamin'i Atala I mpanjakan'i Pergamona[2] izy. Novonoin'ny manamboninahitra miaramilany izay namadika azy ka niady taminy tany Anatolia tamin'ny taona 223 tal. J.K izy[3]. Rehefa maty i Seleokosy III dia ny rahalahiny Antiokosy III Lehibe no nandimby azy teo amin'ny fitondrana.

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. I Anatolia dia ilay faritra andrefan'i Azia, izay fantatra koa amin'ny anarana hoe Azia Minora, ka mifanandrify amin'ny faritra aziatikan'i Torkia ankehitriny izany.
  2. I Pergamona na Pergama (grika: Πέργαμον / Pérgamon) dia tanàna tranainy izay atao hoe Bergama, ao amin'ny faritanin'i Izmir ao Torkia ankehitriny,
  3. "Seleucus III Keraunos". Livius.org.