Ny segondra (eva SI: s), hafohezina s. na seg. tsindraindray, dia anaran-tsingam-potaona ary izy no ampiasain' ny SI (système internationa) rehefa mandrefy ny fotoana. Azo refesina izy amin' ny famataranandro. Misy 60 segondra ny iray minitra ary misy 3 600 segondra ny iray ora.

1 minitra = 60 segondra
Fitepon-tsegondra

Ny segondra dia singam-potoanan' ny andro. Ny segondra iray dia 1/86400 andro (satria 1/24×60×60). Fa tamin' ny taonjato faha 19-20, ny fandinihana ara-kainkintana dia milaza fa mihalava ny salan' ny segondra, ary noho izany, tsy natao ho tsiahin' ny singam-potoana intsony ny fihodinan' ny tany. Amin' ny famataranandro atômika, azo atao ny mamaritra ny segondra amin' ny alalan' ny fototoetran' ny natiora.

Mbola azo zaraina 60 ny iray segondra mba hahazoana ny atao hoe tiersa, ka ny iray tiersa dia iray ampahenimpolon' ny segondra. Idreto koa ny fizaràna hafa: milisegôndra, mikrôsegondra, nanôsegondra, pikôsegondra, femtôsegondra, ary atôsegondra.

Jereo koa hanova

Ventim-potoana hanova

Rohy ivelany hanova

Miteny anglisy hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.