I Sômalilandy na Repoblikan' i Sômalilandy dia tany na firenena ao amin' ny Tandrok' i Afrika, nozanahin' ny Britanika taloha. Nanambara tena ho mahaleo tena ny vahoaka ao aminy tamin' ny taona 1991 fa tsy hiaraka amin' i Sômalia intsony ary ny lalàmpanorenany tamin' ny 30 Avrily dia tsy eken' ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ny fanjakana ao Sômalia anefa milaza fa mbola masi-mandidy amin' io tany io nanomboka tamin' ny fanovana ny fariparitry ny tanim-pirenena tamin' ny 2016. Atao hoe Soomaaliland na Jamhuuriyadda Soomaaliland izy amin' ny fiteny sômaly, أرض الصومال, Arḍ aṣ-Ṣūmāl na جمهورية أرض الصومال, Jumhūrīyat Arḍ aṣ-Ṣūmāl kosa amin' ny teny arabo. Atao hoe Sômalilandey ny vahoakan' io firenena io.

Sainan' i Sômalilandy
I Sômalilady ao Afrika
Muse Bihi Abdi

Manana velaran-tany mirefy 137 600 km² i Sômalilandy. Ireto ny firenena mifanolotra aminy: i Sômalia, i Etiôpia, i Jibotỳ ary i Iemena (ny Helodranon' i Aden). Misy mponina 3 500 000 any ho any ny ao. I Hargeisa no renivohiny izy misy mponina 800 000 any ho any.

Jereo koa hanova

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany