Ny rariteny dia sampan' ny haiteny izay mandalina ny fanambarana ny voanteny ho tonga fehezanteny na lahateny ao amin' ny fiteny iray. Avahana ny rariteny, izay mahakasika ny endri-teny, amin' ny semantika, izay mahakasika ny zava-kendren' ny fitenenana (hevitra / zavatra). Ny rariteny dia mandalina:

  • ny filaharan' ny teny - ohatra, amin' ny teny frantsay, izany dia afaka manova ny hevitry ny fehezanteny: "Jean frappe Paul" mifanohitra amin' ny "Paul frappe Jean";
  • ny sokajin-teny - ohatra, ao amin' ny fehezanteny hoe "il fait beau", ny teny hoe "il" dia mpisolo anarana tsy misy dikany "fait beau" tari-matoanteny;
  • ny fifehezana - ohatra, ao amin' ny fehezanteny hoe " le petit chat dort", ny anarana hoe "chat " dia mifehy ny matoanteny "dort" sy ny mpanoritra "ny" ary ny mpamari-toetra "petit". Ity fifanaovana ambaratonga ity dia azo aseho amin' ny fononteny: [[le petit] chat [dort]] na amin' ny rohim-mpiankinana;
  • ny anjara asa ara-pitsipiteny - ohatra, ao amin' ny fehezanteny hoe "je mange à la cantine", ny mpisolo anarana "je" dia ny lazaina ho an' ny "mange ", "à la cantine" dia ny famenon-toerana.