Ranomasin' i Nôrvezy

Ny Ranomasin' i Nôrvezy dia ranomasina ao amin’ ny Ranomasimbe Atlantika izay manamorona indrindra ny Saikanosy Skandinaviana ao atsinana sy ny tapany avaratra-atsinanan’ i Islandy ao andrefana.

Sarin-tany maneho ny Ranomasin' i Nôrvezy (amin' ny teny frantsay)
Io vafaritra amin' ny tsipika mena io ny Ranomasin' i Nôrvezy

Atao hoe Norskehavet izy amin' ny teny nôrveziana, Noregshaf amin' ny teny islandika, Norskahavið amin' ny teny faroeana, Norwegian Sea amin' ny teny anglisy ary Mer de Norvège amin' ny teny frantsay.

Tamin’ ny taona, ny Fanambaràna tao Ilulissat (izay nosoniavin’ ny firenena dimy amin’ ny faritra manodidina ny tendrontany avaratra ( Danmarka, Nôrvezy, Rosia, Etazonia ary Kanada) dia mamaritra ny Faribolan-tendrontany avaratra ho fetra farany atsimo amin’ ny Ranomasimbe Arktika, ka izany dia mahatonga ny Ranomasina Arktika ho toy ny ampahan’ ny Ranomasin’ i Nôrvezy ao amin’ ny Ranomasimbe Atlantika. Any Frantsa, ny Conseil National de l'Information Géographique ("Filankevi-Pirenena momba ny Fanomezam-baovao ara-Jeôgrafia") dia niverina nandray ny fanasokajiana ny erana an-dranomasina izay nosafidin’ ny Fikambanana momba ny Rano Iraisam-pirenena (frantsay: Organisation Hydrographique Internationale).

Faritra misy horohoron-tany ambany vaika nefa maro ny Ranomasin’ i Nôrvezy. Ambony dia ambony ny mety hitrangan’ ny loza vokatry ny horohoron-tany amin’ ny faritra manamorona ny morontsiraka nôrveziana, ao amin’ ny faritra izay efa nahitana firodanan’ ny fanambanin’ ny ranomasina, isan’ izany ny an’ i Storegga' izay heverina ho ny fikorisan-tany lehibe indrindra fantatra any Eorôpa. Niteraka tsonamy goavambe izany izay niely anjato kilômetatra izany. Ny jeôlôga dia mihevitra fa raha hitranga ny zavatra toy izany, na dia kely fotsiny aza, dia ho loza ny hanjo ireo zavatra maro naorina eny an-dranomasina ho enti-mitrandraka ny solitany sy ny etona voajanahary. Ahitana afotroa mandefa fotaka izay mamorona tendombohitra ambany ranomasina ny ao amin’ ny faritra lalina dia lalina avaratra-afovoan’ ny Ranomasin’ i Nôrvezy.

Jereo koa hanova