Rakitra (kajimirindra)

Ny atao hoe rakitra amin'ny kajimirindra dia firaketana fampahalalana arak'isa navondrona tanaty toerana iray ary nomena anarana tokana, ary anaty maharitra toa ny kapila mateza, CD-ROM na bandy arak'andriamby.

Mpitantana rakitry ny birao KDE

Samihafa ny firafitry ny fampirimana rakitra arakaraky mpandrindra milina. Ho an'ny mpandrindra milina izay avy amin'i Linux izao ohatra dia / (anja sompirana) ny fototry ny rakitra na inona na inona ny isan'ny kapila mateza ananan'ilay solosaina ; tsy misy izany ny ao amin'i Windows. Arakaraky ny isan'ny kapila mateza, na eo an-toerana na eo an-tambajotra, ny isan'ny fototra. Ny fototry ny rakitra anaty kapila mateza iray dia mitondra litera iray (A, B, C, D, sns.) arahana teboka roa ary anja sompirana toa izao : C:/ ; D:/ , sns. Amin'i Windows dia ao amin'ny C:/ no ahitana ny rakitra mampandeha ny mpandrindra milina.

Amin'ny lafiny ara-teknika, ny rakitra dia fifanohitohizana 1 (iray) sy 0 (aotra), izany hoe isa roa fototra iray manana halava voafaritra fa afaka miovaova.

Amin'ny ankapobeny, dia misy anaran-drakitra ny rakitra izay ahafahana mamaritra ary mamaky azy. Amin'ny tontolon'i Windows, manana tovana io anaran-drakitra io, izay ahalalàna ny fandaharana na rindrankajy afaka mamoha azy. Manana metadata koa ny rakitra, izay fampahalalana mikasika ny fampahalalana : ny halavan'ilay rakitra na ny tompon'ilay rakitra. Arakarak'io metadata io dia mety azo lazaina fa fandaharana mahaleotena ilay rakitra, na rakitra nafintina, na lahatsoratra, na sary, na horonantsary, na feo.

Votoatiny hanova

Zavatra maha-izy azy ny rakitra ny votoatiny. Samy misongadina amin'ny votoatiny ny rakitra tsirairay. Mety ho aino aman-jery na soratra ny votoatin'ny arakitra.

Ireo ny sokajin-drakitra vitsivitsy :

Anarana Votoatiny Tovana
azo alefa Rakitra azo alefan'ny solosaina - izany hoe fandaharana na rindrankajy .exe, .com, .bat
rakitra nafintina Rakitra nafintina araky ny fomba fanaovana manokana izay mamintina ny habeny. Mila rindrankajy mpanitatra ny famohana ireo rakitra ireo. .arc, .zip, .z, .arj, .sit, .gz .7z
haino aman-jery Rakitra ahitana sary na feo amin'izany endrika azo vakian'ny solosana. Mety ahitana sary, kisarisary, hira, fandaharana radio na horonantsary ireo rakitra ireo. .gif, .jpg, .bmp, .png, .eps, .tif
tahirin-tsoratra Tahirin-tsoratra natao hatonta printy. Ahitana ny lahatsoratra ary ny fomba fanatsarana (loko, fampisongadinana lohavy) ny fisehony ny rakitra toa io. .docx, .odt, .html, .doc
tahirin-tsoratra manta Tahirin-tsoratra tsy misy fanatsarana na inona na inona. Mety ho renifangom-pandaharana izy ireo, na data ho an'ny fandaharana iray. .txt, .html, .ini, .log, .conf, .c, ...

Famantarana ary fampirimana ny rakitra hanova

 
Rakitra izay voapirina araky ny ambaratonga

Amin'ny rafi-tsolosaina ankehitriny dia fantatra amin'ny alalan'ny anarany ny rakitra. Amin'ny mpandrindra milina sasany dia miaraka amin'ilay rakitra ny anarany. Amin'ny hafa, tsy mitondra anarana na inona na inona ilay rakitra, ary tondroin'ny rohy izay manana anarana. Amin'io tranga voalaza frany io, afaka mahita  ireo rohy amin'ny alalan'ilay rakitra ilay mpampiasa, fanoharana diso anefa izany, indrindra indrindra rehefa maro ireo rohy mitondra any amy rakitra tokana.

Mety hita ao anaty ny petra-drakitra ny rakitra (na ny rohin-drakitra). Na dia izany aza, amin'ny ankapobeny, dia mety ahitana na lisi-drakitra na lisi-rohin-drakitra ny petra-drakitra iray.

Fiarovana ny rakitra hanova

Ahafahana miaro rakitra ny ankamaroan'ny rafi-tsolosaina ankehitriny mba tsy hisian'ny fanimbana niniana. Nametraka alalana amin'ny rakitra ireo solosaina izay mamela ny fisian'ny mpampiasa maro ahafahana mamehy ny fahafahan'izy ireo mamorona, manova na mamafa rakitra na petra-drakitra. Ohatra, azo avela mamaky rakitra na petra-drakitra iray ihany ny mpampiasa iray, fa tsy mahazo manova na mamafa azy ; na azo omena alalana ny mamaky na manova rakitra na petra-drakitra ny mpikambana iray hafa, fa tsy mahazo mampandefa azy. Azo atao tsy ho hitan'ireo mpampiasa tsy nomena alalana koa ny rakitra iray. Ahafahana mitazona fampahalalana tsy ho hitan'ny olona tsy  niriana ary fiarovana amin'ny fiovana sy famotehana tsy nahazoan-dalana ny fametrahana zo manokana.

Fanakarana amin'ny alalan'ny API hanova

Hahafahan'ny mpampiasa ary ireo mpanoratra rindrankajy mamaky rakitra tokana tahirizina ny mpandrindra milina, amin'ny alalan'ny fenitra fametrahana anarana, ary mikirakira azy ireo araky ny API iray.

Fisaka, tsy misy rafitra manokana ary tsy mahazaka ny buffering amin'ny lafin'ny mpampiasa ny API fototra napetrak'i UNIX. Tsy mahavita zavatra afatsy ny mamaritra fitoerana misy azy, mamaky ary manoratra ilay API fototra. Azo itarina na afintina ny rakitra iray. Fitohitohizana oktety ny endriky ny rakitra iray amin'izany lenta izany.

Amin'ny POSIX ary Unix indray, fitohitohizana oktety ny anaran-drakitra. Amin'i Windows izy ireo dia soratra Unicode. Noho izany amin'i Windows, mizara roa ny API famakiana rakitra, ka ny API iray dia ahafahana mamaky ilay rakitra amin'ny alalan'ny fampiasana ny soratra Unicode UTF-16 ary ny iray dia hahanomezana anarana ny rakitra amin'ny fitohitohizana oktety amin'ny alalan'ny mekanisma "an-toerana" (anglisy: locale).

Mety miteraka tsifahazakana araky ny "an-toerana" ny fanaovana izany zavatra izany.


Fiorenana hanova

Naorina tamin'ny 26 Jiona 1945 ny Firenena mikambana tamin'ny nampiharana ny dinan'ny Firenena Mikambana hanoloana ny Fikambanan'ny Firenena (frantsay: Société des Nations), izay tsy nanao ny tokony ho asany izany hoe hanakana ny Ady Lehibe Faharoa, ary hametrahana toerana fifanakalozan-kevitra iraisam-pirenena.

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.