34°38′24″N 50°52′35″E / 34.640100°N 50.876400°E / 34.640100; 50.876400

Qom
Velarantany NC
Isam-ponina 900 000 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna NC
Firenena  Iran
Faritany Qom
Faritra NC

I Qom dia tanàna ao amin’ ny faritra afovoan’ i Iràna, miorina eo amin’ ny renirano Rud-e Qom, renivohitry ny faritanin' i Qom. 150 km ao atsimon' i Teheran no misy azy.

Toekarena hanova

Fihaonan-dalana sy fihaonan-dalamby any amin' ny faritra misahana manokana ny fambolena voamadinika, landihazo, voankazo, mafihoditra (noix) ary voninkazo pavot (Papaver), ity tanàna ity, izay manana orinasa mpanamboatra lamba landihazo, kiraro, fanaka vita amin’ ny tanimanga sy amin’ ny vato fitaratra.

Kolontsaina hanova

 
Toerana masin' i Fatima

I Qom dia iray amin' ny tanàna masina ao Iràna. Ao no misy ny fasan' i Fatimah Masumeh, anabavin' ny imam Ali ar-Rida, toerana fivahiniana masina isan-taona ho an' ny Mozilmana Siita an' arivony. Ao koa no misy ny fasan' ny mpanjaka safavida maro, ny môskea, ny bazary ary ny tranombako-panjakana. Ny oniversite islamika ao Qom no lehibe indrindra amin' ny tontolon' ny Siita.

Tantara hanova

Niorina tamin' ny taonjato faha-9 io tanàna io, izay noravan' i Tamerlan tamin' ny taonjato faha-14 sy ny Afgana tamin’ ny taonjato faha-18. Tanindrazan’ ny ayatollah Khomeini izy sady renivohitry ny faritanin' i Qom hatramin' ny taona 1938. Nandritra ny taona 1930 no nivoaran' ny sehatry ny taozavabaventy tao amin’ io tanàna io.

Jeôgrafia hanova

Ny isan' ny mponina dia 900 000 tamin' ny taona 2016.[1]

Toetany hanova

Jereo koa hanova

Tsiahy hanova

  1. Iràna ao amin'i geonames.org, novangiana ny 9/ 3/2019
 
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Iràna ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.