Ptôlemaiôsy XV

(tonga teto avy amin'ny Ptolemaiosy XV)

I Ptôlemaiôsy XV na Ptôlemaiôsy XV Filôpatôra Filômetôra Kaisara, izay atao hoe Kaisariôna na Ptôlemaiôsy Kaisara, dia zanak' i Kleôpatra VII izay niara-nanjaka tamin-dreniny tamin' ny taona 44 tal. J.K. Novonoin' i Ôktavio (izay ho emperoran' i Rôma) i Kaisariôna sy i Antilôsy namany zanak' i Marko Antônio tamin' i Flôvia. I Kaisariona no haverina fa zanaka tokana naterak' i Jolio Kaisara fa i Ôktavio kosa zanaka natsangany ka loza ara-politika mananontanona izy.

Sary vongan'i Kaisariona

Teraka tamin' ny taona 47 na 44 tal. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 30 tal. J.K., izany hoe tamin' ny faha-14 na 17 taonany. Mety zanak' i Kleôpatra tamin' i Jolio Kaisara izy. Atao hoe Πτολεμαῖος Φιλοπάτωρ Φιλομήτωρ Καῖσαρ / Ptolemaîos Philopatôr Philomêtôr Kaîsar izy amin' ny teny grika. Amin' ny teny grika ny hoe Kaisariona dia atao hoe Καισαρίων / Kaisariôn (midika hoe "Kaisara kely").

Rava tanteraka niaraka tamin' ny nahafatesan' i Kaisariôna ny fianakavia-mpanjaka lagida ka nofehezin' ny Rômana mivantana amin' izay i Egipta.

Jereo koa hanova