Prudence de la Croix

Prudence de la Croix dia mompera Kristianina, martiry trinitera avy ao Espaina, teraka ny 28 aprily 1880 ary maty 31 jolay 1936.

Mompoera Prudence de la Croix

Biografia hanova

Mompoera Prudence de la Croix tao Rigortia (Vizcaya-Espaina) no tanàna nahaterahan'i Mompoera Prudence, tamin'ny 28 aprily 1883 ary io andro nahaterahany io ihany izy dia efa natao Batemy. Ny 9 may 1898 no nanombohany ny nôvisia tao Algorta (Vizcaya) ary ny 13 may 1899 kosa no nanaovany ny voady vooalohany araka ny lalana sy fomban'ny relijiozy trinitera.

Ny 28 jolay 1936 no nosamborina niaraka tamin'ireo frera trinitera rehetra niaraka kômonôté taminy tao "Santuario de la Virgen de la Cabeza" i Mompoera Prudence ary dia nalefa tamin'ny tanàna hafa antsoina hoe "Andújar". Anisan'ny nampihavaka azy tamin'izany fotoana nisamborana azy izany ny tsy nanekeny mihitsy hanala ny akanjo fitondran'ny relijiozy trinitera satria hoy izy: "raha toa ka ny fanaovako ity fanamiana manokana maha relijiozy ity no hamonoana ahy dia tsy atahorako satria miana anatin'ny ara-dalana aho". Nonina taminà trano mitokana niaraka tamin'ny frera roa izy ary telo andro moja taorian'ny fisamborana (ny 31 jolay 1936) no noentina ankeriny ho vonoina niaraka tamin'i Mompoera Secondo di Santa Teresa.

Martiry trinitera hanova

Martiry trinitera avy ao Espaina 1936-1937:

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.