Ny Poaceae na Gramineae dia fianakavian-javamaniry izay ahitana karazany miisa 12 000. Maro aminy no karazana ahitra sy voamadinika. Mety manana tsiraka mafy toy ny volo (anisan' izany ny volotsangana). Ahitana Poaceae betsaka (mihoatra ny 40 % amin' ny velaran' ny Tany, afa-tsy any Grinlandy sy any Antarktika) ny eny amin' ny kijana sy ny hivoka. Fahita koa amin' ny toerana sasany toy ny faritra mando sy ny faritra misy ala ary ny faritry ny tondrà ny Poaceae. Anisan' ny Poaceae ny zavamaniry fihinam-boa na fihinam-batana toy ny vary, ny varimbazaha, ny katsaka, ny ôrza, ny ampembambazaha, ny fary. Anisany koa ny volo isan-karazany sy ny bararata. Anisan' ny Poaceae koa ny ahi-dratsy maro manimba ny fambolena toy ireo ao amin' ny karazany dimy, dia ny Cynodon dactylon, ny Echinochloa colona, ny Eleusine indica, ny Sorghum halepense, ary ny Imperata cylindrica.

Katsaka