Ny Pigmea dia vahoaka ahitana foko maro samihafa ao amin' ny alam-pehiben-tany ao Afrika. Ny teny hoe pigmea dia fanagasiana ny teny grika hoe pugmaîos, izay midka hoe "mirefy iray hakiho". Ny salan-kalavan' ny lehilahy pigmea tokoa dia 1,52 m.

Ny fiaviany sy ny faritra ahitana azy hanova

Ny fiavian' ny Pigmea hanova

Mivelona amin' ny fihazana sy ny fakana taovan-javamaniry anaty ala ny Pigmea izay nonina tao amn' ireo faritra be ala talohan' ny fahatongavan' ny Banto mpamboly tamin' ny fiantombohan' ny taonjato voalohany.

Faritra misy azy ao Afrika hanova

Ankehitriny dia miisa eo anelanelan’ny 100 000 sy 200 000 ny Pigmea, ka ao amin' ny Repoblikan' i Afrika Afovoany, ao Gabôna, ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (Zaira taloha) ary ao Roanda no firenena ahitana azy ireo. Monina ao amin' ny ala manakaiky ireo tanàna madinika onenan' ny mpamboly izy ireo ary manao fifanakalozana amin' ny mponina hafa (biby haza na voankazo sy fakan-javamaniry fihinana atakalo fitaovana ilaina amin' ny fiainana andavanandro, sns).

Ny fiarahamonina pigmea hanova

Ny fiarahamonin' ny samy Pigmea hanova

Tsy manana fiteny azy manokana ny Pigmea fa miteny amin' ny fitenin' ny mponina mifanolo-bodirindrina aminy. Manana ny anaram-pokony manokana anefa izy ireo isam-paritra, ka ny Aka (Akka) sy ny Mboty (Mbuti) no ao amin' ny alan' i Ituri ao Zaira, ny Toà (Twa) ny ao Roanda. Mitsitokotoko ho olona telopolo any ho any izy ireo ary manambady tokana fa tsy mampirafy. Miara-mihaza ny olona maromaro miaraka ka ny mpihaza mahay indrindra no mitarika.

Ny fiaraha-miaina amin' ny mponina hafa hanova

Ny fahapotehan' ny ala sy ny fanosehan' ny mponina hafa azy ireo dia mahatonga ny Pigmea lasa miara-belona amin' ny mpamboly, izay manao tsinontsinona sady mampanompo azy ireo. Ny sasany, ohatra, dia manao taozavatra amin' ny tanimanga, ny sasany mpandihy, ny sasany mpampihomehy. Ireo Pigmea ao Roanda (ny Toà) dia noheverin' ny Hoto sy ny Totsy ho ambany firazanana.

Mihena isa ny Pigmea hanova

Mihena isa ny Pigmea noho ny aretina (indrindra ny aretin' ny avokavoka) sy ny tsy fahafaha-mifindrafindra monina intsony ary ny fanambadian' ny vehivavy pigmea amin' ny lehilahy banto.

Jereo koa hanova