Pierre Savorgnan de Brazza

I Pierre Savorgnan de Brazza dia mpahita tany frantsay sady mpandaharaha amin' ny asam-panjakana tamin' ny fanjahan-tany taty Afrika, tantsambo manam-boninahitra, izay nitety an' i Afrika Afovoany, nanorina an' i Kôngô frantsay (frantsay: Congo français) (izay lasa Repoblikan' i Kôngô ankehitriny) sady nahita koa an' i Gabôna. Teraka tamin' ny 26 Janoary 1852 tany akaikin' i Rôma izy ary maty tany Dakar tamin' ny 14 Septambra 1905. I Pietro Paolo Savorgnan di Brazzà no anarana fahakeliny.

I Pierre Savorgnan de Brazza (1852-1905)

Tamin' ny taona 1875 hatramin' ny 1878 izy dia niakatra nanaraka ny renirano Ogooué nanomboka hatreo amin' ny renirano Lambaréné. Tamin' ny taona 1879 hatramin' ny 1882 izy dia tonga teo amin' ny farihy Stanley Pool (atao hoe Malebo Pool ankehitriny), eo amoron' ny renirano Zaïre. Tamin' ny diany fahatelo, izay tanteraka tamin' ny taona 1879 hatramin' ny 1882, dia nametraka prôtektôrata frantsay, izay niova anarana ho Kôngô frantsay tamin' ny taona 1891, izy, sady nanorina ny tanànan' i Brazzaville eo amin' ny ankavanan' ny renirano Congo tamin' ny taona 1884. Tsy nankasitraka herisetra i Brazza ka isan' ny tsy nifanarahany tamin' i Henry Morton Stanley izany.

Jereo koa hanova