Ny petra-kevitra na petrakevitra dia fehezankevitra na fanazavana izay aroso fotsiny ka tsy lazaina ny mety ho fahamarinany na ny mety ho fahadisoany, hevitra apetraka ka mbola ao amin' ny sehatry ny zavatra mety hisy na ny angambangamba. Rehefa ambara ny petra-kevitra dia azo atao ny mandalina azy, ny misedra azy, ny mampiasa azy, ny miady hevitra ny aminy, ny manao fanandramana hisedrana ny fahamarinany.

Ny petra-kevitra izay ampiasaina nefa tsy natao hosedraim-pahamarinana (noho ny antony ara-pihetseham-po, ara-pivavahana, ara-pôlitika, ohatra) dia atao hoe matoan-kevitra.

Jereo koa hanova