Persàna (vahoaka)

(tonga teto avy amin'ny Persana)

Ny Persana na Persanina na Vahoaka persiana na Persana Tadrefana dia vahoaka efa nisy hatramin' ny Andro Taloha, mipetraka tany Persia taloha na Iràna ankehitriny. Fiteny persana na fiteny mifandray amin' io fiteny io no fiteniny, sady mitovy kolontsaina sy tantara iombonana. Ny isan' ny Persana ankehitriny dia eo amin' ny 80 tapitrisa eo ho eo, ka monina any Iràna ny ankabeazany.

Ny anarana hoe Persana amin' ny fiteny grika, ἡ Περσίς / hê Persis, dia nanondroana ny mponina nentin' ireo mpanjaka taranaky ny Akemenida (Dariôsy, Kserksesy). Ankehitriny, Iraniana no fiantsoana ny vahoaka mipetraka ao Iràna.

Maro ny Persana monina any ivelan' i Iràna. Ny Ntaolo persiana dia vahoaka iraniana izay nifindra monina nankany amin' ny faritr' i Persisy, izay mifandraika amin' ny faritanin' i Fars ankehitriny ao amin' ny tapany atsimo-adrefan' i Iràna, tamin' ny taonjato faha-9 tal. J.K.

Ny fianakaviambe lehibe indrindra dia mivangongo any Etazonia, any Kanada, any Soeda, any amin' ny Emirata Arabo Mitambatra sy any Angletera.

Jereo koa hanova

Vahoaka iraniana ankehitriny: