I Pasteur Bizimungu dia filoham-pirenen’i Roanda tamin’ny taona 1994 (taorian’ny famongoran-taranaka) hatramin’ny 2000. Teraka tamin’ny taona 1951 avy amin'y fianakaviana hoto iray izy. I Juvénal Habyarimana no filoham-pirenena teo alohany Paul Kagame no nandimby azy taorian’ny fametrahany fialana. Tanàna ao akaikin’i Gisenyi no nahaterahan’i Bizimungu tao amin’ny fianakaviana hoto iray. Nanjohy ny lalam-pianarana momba ny haisoratra tao Roanda sy tany Frantsa izy.

Talohan'ny naha filoham-pirenena azy hanova

Tompon’andraikitra tamin’ny orinasam-panjakana hanova

Lasa talen’ny orinasam-panjakana Electrogaz izy taty aoriana sady nanohana ny pôlitikan’ny filoham-pirenena roandey Juvénal Habyarimana, izay Hoto tahaka azy. Nametra-pialana izy tamin’ny taona 1990 sady niampanga an’i Habyarimana ho mpandrehitra adim-poko sy ho mpandefitra amin’ny kolikoly.

Mpitondra tenin’ny FPR hanova

Tamin’ny volana Aogositra 1990 dia nandositra tany Oganda izy ka tano no naha lasa mpitodra tenin’ny tafika mpioko ao amin’ny Front patriotique rwandais (FPR) izay nahitana indrindra Totsy mpitsoa-ponenana sy Hoto mandanja fihetsika vitsivitsy. Nani-bohitra tany amin’ny tapany avaratr’i Roanda ny FPR tamin’ny volana Ôktôbra 1990. I Pasteur Bizimungu no lehiben’ny delegasiona tamin’ny fifampiraharahana momba ny fandriam-pahalemana izay natao tao Arusha (tanàna any Tanzania) tamin’ny taona 1993.

Niditra tao amin’ny fitondram-panjakana hanova

Tamin’ny volana Desambra 1993 dia voatendry ho minisitry ny Atitany tao amin’ny governemanta tetezamita izy. Izany governemanta izany dia nanomana ny fifidianana isan-karazany izay hahafahan’ny antoko maro mandray anjara. Tamin’ny volana Avrily 1994 dia maty tamin’ny fitifirana misily ny fiaramanidina nitondra azy ireo ny filoham-pirenana roandey Juvénal Habyarimana sy ny filoham-pirenena borondey Cyprien Ntaryamira izay samy Hoto, raha niomana hiantsona tao amin’ny seranam-piaramanidina ao Kigali ilay fiaramanidina. Nipoaka ny ady an-trano izay niteraka fandringanana tao Roanda ka voarohirohy tamin’izany ny tafika roandey izay nahitana Hoto maro an’isa. Nandritra izany ady an-trano izany, izay nandresen’ny FPR ny tafika roandey, dia nahafatesana olona eo anelanelan’ny 500 000 sy 1 000 000, ka ny ankamaroany dia Totsy.

Nandritra sy taorian'ny naha filoham-pirenena azy hanova

Filohan’i Roanda taorian’ny ady an-trano hanova

Ny FPR no nandray ny fanapahana ny firenena tamin’ny volana Jolay 1994 ary voatendry ho filoham-pirenena mandritra ny dimy taona i Bizimungu. Nihevitra anefa ny mpanohitra fa i Paul Kagame, izay komandin’ny FPR sady filoham-pirenena lefitra sy minisitry ny Fiarovana, no tena nihazona ny fahefana, fa i Bizimungu kosa dia saribakoly fotsiny.

Tamin’ny volana Marsa 2000 dia nametra-pialana i Bizimungu satria tsy nakasitrahiny ireo Totsy teo amin’ny fitondrana, indrindra ireo niaina am-pialokalofana tany Oganda, izay nanao fanadihadiana momba ilay ady an-trano mba hahatonga ny mpitondra fanajakana hoto hametra-pialana. Isan’ny nametra-pialana, iray volana talohan’izany, ny praiministra Pierre-Célestin Rwigema.

Voatendry handimby an’i Bizimungu i Paul Kagame. Tamin’izany fotona izany indrindra no nivoaka am-pahibemaso ny tatitra nataon’ny mpanadihady ao amin’ny Tribunal pénal international pour le Rwanda (TPIR) (ao amin’ny Firenena Mikambana), izay nanambara fa voarohirohy tamin’ny fitifirana ny fiaramanidina nitondra ny filoham-pirenena roa roandey sy borondey tamin’ny taona 1994 i Paul Kagame.

Nitarika antoko mpanohitra hanova

Tamin’ny taona 2002 dia nanangana antoko pôlitika vaovao i Bizimungu, dia ny Parti démocratique pour le renouveau (PDR-Ubuyanja), nefa nosamborina sy napidirina am-ponja izy satria nampangaina ho mpampizarazara ara-poko. Izany fanamelohana izany dia heverin’ny mpanara-maso ny fiainam-pirenen’i Roanda ho fomba natao mba hanilihana ny mpifanandrina ara-pôlitika amin'i Paul Kagame tsy ho afa-mihetsika. Tamin’ny taona 2004 dia voaheloka ho nanohintohina ny filaminan’ny fanjakana izy (fikasana hamono ny mpitondra fanjakana) i Bizimungu ka voaheloka an-tranomaizina mandritra ny 15 taona noho izy nampangaina ho mpiray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy sy mpamporisika ny olona tsy hanaja ny mpitondra fanjakana ary mpanodikodina volam-panjakana.

Jereo koa hanova

Ireo filoham-pirenena roandey: