I Pakômio Lehibe, na Pakômio avy any Tabenesy dia heverina ho mpanorina ny kenôbitsma kristiana (fiainana ara-pivavahana iarahana), teraka tany Tebaida tamin' ny taona 292 sy maty tamin' ny 9 Mey 348. Atao hoe Pachomius Tabennisiensis ou Tabennensis izy amin' ny teny latina, fa Παχώμιος / Pakômios kosa amin' ny teny grika. Ny teny hoe pakhom amin' ny fiteny kôpta dia midika hoe "voromahery lehibe" na "voromaherin' ny mpanjaka"[1].

I Masindahy Pakomio Lehibe, nandray ny fitsipikyny fikambanany tamin'ny anjely, sarimasina bizantina.

Fiainany hanova

Tsy mitovy amin' i Paoly avy any Tebay sy i Antônio Lehibe i Pakômio izay teraka tamin' ny taona 292 tao amin' ny tanàna kely ao akaikin' i Keneh any Kenoboskion (any Nag Hammadi) ao Egipta Ambony, izay tsy dia mahalala firy ny tontolo grika. Tsy mahay afa-tsy ny fiteny kôpta i Pakômio. Avy amin' ny fianakaviana ambany fari-pivelomana izy sady notezaina tao amin' ny fivavahan' ny mpanompo sampy[2]. Tamin' ny faha-20 taonany dia nalaina an-keriny hatao miaramilan' ny empira Rômanan' i Kônstantino hiady amin' ny Persiana izy[3]. Tamin' ny taona 314 dia tafala amin' ny maha miaramila azy izy nefa tsy nanan-javatra hivelomana, dia noraisin' ny Kristiana tao Tebay. Nanohina ny fony ny fiantrana lehibe natao taminy sy ny fikarakaran' ny Kristiana ny olona mijaly. Niova ho kristiana izy ka natao batemy (na batisa)[4]. Araka ny lovantsofina maro dia maty tamin' ny 348 (3, 8, 9, 14, na 15 Mey) tamin' ny nisian' ny areti-manringana nahazo ny mpitoka-monina tany Egipta nanomboka tamin' ny Paska taona 346[5].

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Vincent Desprez, "Le cénobitisme pacômien", Le Monde Copte, vol. 21 22,‎ 1993, p. 35
  2. Pachomiana: commémoration du XVIème centenaire de St Pachôme l'Égyptien, Centre d'études orientales de la Custodie franciscaine de Terre-Sainte, 1955, p. 24
  3. Andrew Crislip, Thorns in the Flesh: Illness and Sanctity in Late Ancient Christianity, University of Pennsylvania Press, 2012, p. 114
  4. Laurie Guy, Introducing Early Christianity: A Topical Survey of Its Life, Beliefs & Practices, InterVarsity Press, 2011, p. 152
  5. Alban Butler, Donald Attwater, Herbert Thurston, Lives of the Saints, Burns & Oates, 1956, p. 261.