12°21′27″N 1°32′02″W / 12.35756°N 1.53394°W / 12.35756; -1.53394

Ouagadougou
Velarantany 219,3 km2
Isam-ponina 1 626 950 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Simon Compaoré (since 1995)
Firenena Borkina Faso
Faritany NC
Faritra NC

I Ouagadougou no renivohitr' i Borkina Fasô, miorina eo afovoan' ilay firenena, eo ambony lembalemba, afovoan'ny faritra fambolena. Izy no tanàna lehibe indrindra sady foibe ara-barotra sy ara-pitantanana lehibe indrindra ao amin' ilay firenena, ampifandraisin' ny lalamby mankany Abidjan (any Kôtidivoara), eo amoron' ny Ranomasimbe Atlantika, ary ampifandraisin' ny  arabe amin’ i Niamey (any Nizera). Manana seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ihany koa izy. Ny taozava-baventy eo an-toerana dia atokana amin' ny fikarakarana ny landihazo sy ny fanenomana lamba sy karipetra, ary ny vokatra ara-tsakafo.

Ahitana trano fonenana nentim-paharazana sy trano fonenana môderina ny ao Ouagadougou izay iorenan’ ny katedraly sy ny môskea, ny lapan' i Morho Naba mpitarika ny Môsy, ny oniversite (1969) ary ny tranombako-pirenena.

Naorin' i Oubri, zafikelin' i Ouédraogo, razamben' ny Môsy tamin' ny taonjato faha-15 i Ouagadougou izay renivohitry ny fanjakana môsy matanjaka taloha, misy ny morho naba ("mpanjakan' izao tontolo izao"). Nandritra ny fotoana nanjakany (1796-1825) dia nampiditra ny fivavahana silamo ho fivavahan’ ny Môsy i Naba Dlugu. Ny fahefana avy amin’ ny razambe aananan’ ny morho naba (izay mbola maharitra hatramin’ izao) dia tena nanjavona nandritra ny fanjanahan’ ny Frantsay sy hatramin’ ny nahazoan’ ilay firenena ny fahaleovan-tenany indray.

Tamin' ny taona 1897, ilay Frantsay mpikaroka tany vaovao, Paul Voulet sy Charles Chanoine, dia niady ka nandresy ary naka ny tanàna sy nanao sonia fifanarahana fiarovana (prôtektôrata) tamin' ny naba. Tamin' ny taona 1960, tamin' ny fahaleovantenan' i Haute-Volta, dia lasa renivohitr’ ilay firenena, izay novana anarana tamin' ny taona 1984 hoe Borkina Fasô (Burkina Faso “firenena olona marin-toetra”), i Ouagadougou.

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.