Ôtniela

(tonga teto avy amin'ny Otniela)

I Ôtniela na Hôtniela dia mpitsara israelita. Isan' ireo atao hoe mpitsara lehibe izy. Otniel Ben Knaz (עתניאל בן קנז) no anarany feno amin' ny teny hebreo, izay azo hagasina hoe Ôtniela zanak' i Kenaza, araka ny Bokin' ny Mpitsara (Mpit. 3.8-11). Mety hidika hoe "Heriko Andriamanitra" na "Namonjy ahy Andriamanitra" io anarana io[1]. I Kôsama-Riseataima, mpanjakan' i Arama no nifanandrina taminy. Tamin' ny androny dia nandry fehizay tanatin' ny 40 taona i Israely. I Ehoda no nandimby azy.

I Otniela ben Kenaza, nalaina tamin'ny "Promptuarii Iconum Insigniorum", taona (1518?-1589).

Isan' ny fokon' i Jodà izy ary i Kenaza izay zandrin' i Kaleba no rainy. Izy no mpitsara voalohany nandimby an' i Jôsoa (na Jôsoe) ary i Ehoda no nandimby azy. Ao amin' ny Bokin' i Jôsoa sy ny Bokin' ny Mpitsara (Mpits. 1 sy 3) no ahitana ny tantarany.

Nandresy an' i Hebrôna teo akaikin' i Beni-Anaka i Kaleba tao atsimo, izay avy amin' ny fokon' i Jodà. Naka ny tananàna Kiriata-Seferay ny zana-drahalahiny atao hoe Ôtniela, zanak' i Kenaza. Izy koa dia niady amin' ny Edômita. Niditra tao amin' ny tany Kanaana i Kôsama-Riseataima, mpanjaka avy any amin' ny faritr' i Eofrata, mba hanafika sy haka koa an' i Ejipta. Resin' ny Farao anefa izy ka nanao taridositra nitondra ny tafika sady nandroba ny firenena izay nolalovany. Nahangona tafika i Ôtniela ka afaka nanenjika sy nandroaka azy.

Jereo koa hanova

Loharano: hanova

  1. Jack M. Sasson (20 May 2014). Judges 1-12: A New Translation with Introduction and Commentary. Yale University Press. p. 146. ISBN 978-0-300-19033-5.