Oranosy (marika: ⛢) dia fajiry na planeta faha fiton'ny Masoandro. Faha telo amin'ny hangeza ary faha efatra amin'ny lanja. Avy amin'ny anarana grikan'ny Andriamanitry ny lanitra Oranosy (Οὐρανός) ny anarany, ny ray Kronosy (Satorna) ary dadaben'i Zeosy (Jopitera). I Oranosy no fajiry voalohany hita tamin'ny andro moderna. Na dia hita maso ohatra ny fajiry dimy tsotra aza izy, ny tondro ara-pajiriny dia tsy fantatra tsara noho izy zara fa manjelatra (hazavana anelanelan'ny 5,3 sy 5,7 na manodidin'ny 6). Nilaza ny fahitany i William Herschel tamin'ny 13 Martsa 1781. Oranisy ny fajiry hita voalohany tamin'ny teleskôpy.

Ny fajiry Oranosy.


I Oranosy sy i Neptona dia fajiry manana laha-tombo samihafa amin'ny fajiribe tahaka an'i Jopitera sy i Satorna. Sokajian'ny astrônôma anaty sokajy manokana izy: fajiry mivaingana (planetan-dranomandry), na zana-pajiribe (sous-géantes). Ny atmosferan'i Oranosy, na dia misy hidirôzenina sy helioma aza, misy ranomandry, amôniaka, metana, ary hidirôkarbiora. Amin'ny fajiry rehetra an'ny Masoandro, i Oranosy no manana soson-drivotra mangatsiaka indrindra, ny hatsiaka farany mangatsiaka indrindra dia 49 K (-224 °C), any amin'ny tropopaozy (haambo 56 km sy 0,1 bar). Manana rafi-drahona larolaro izy : misy rano ny rahona any amin'ny sosona ambany, ary misy metanina any amin'ny sosona ambony.

Jereo koa hanova

Ireo fajirin'ny Masoandro
MerkioraVenosyTanyMarsaJopiteraSatorinaOranosyNeptona

Rohy ivelany hanova

Miteny frantsay hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.