Ondrilahy (fanandroana)

Ny Ondrilahy no vintana voalohany ao amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Ny Hazandrano (na Alohotsy) no eo alohany ary ny Ombilahy (na Adaoro) no manaraka azy.

Ny evan'ny Ondrilahy
Ondrilahy

Ny antokon-kintana Ondrilahy sy ny zôdiaka hanova

 
Ny antokon-kintan'ny Ondrilahy

Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Ondrilahy dia manomboka amin'ny 18 Avrily ka miafara amin' ny 13 Mey. Ny fari-potoan' ny Ondrilahy araka ny zôdiakan-kintana (frantsay: zodiaque sidéral) dia eo amin' ny 15 Avrily hatriamin' ny 15 Mey.

Ny Ondrilahy ao amin' ny zôdiaka mikisaka (frantsay: zodiaque tropique) dia eo anelanelan' ny 21 Marsa sy 20 Avrily: tsy mifanaraka amin' ny fotoana andalovan' ny masoandro tandrify ny antokon-kintana Alahamady izany.

Hazandrano Ondrilahy Ombilahy
Antokon-kintana 11 Marsa - 18 Avrily 18 Avrily - 13 Mey 13 Mey - 21 Jona
Zodiakan-kintana 15 Marsa - 14 Avrily 15 Avrily - 15 Mey 16 Mey - 15 Jona
Zodiaka mikisaka 20 Febroary - 20 Marsa 21 Marsa - 20 Avrily 21 Avrily - 20 Mey

Jereo koa hanova

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy: