Ogarita (ogaritika: 𐎜𐎂𐎗𐎚, ʼUgart; arabo: أُوغَارِيت‎ Ūġārīt na أُوجَارِيت Ūǧārīt; hebreo: אוּגָרִית‎ Ugarit) dia tanàna seranan-tsambo fahiny tany amin' ny faritra avaratra any Siria, ao amin' ny manodidina an' i Latakia ankehitriny, izay hita tamin' ny fomba tsy nahy tamin' ny taona 1928 niaraka tamin' ireo lahatsoratra ogaritika. Atao matetika hoe Ras Shamra ny sisam-paharavàny.

Nanana fifandraisana akaiky tamin' ny Fanjakana Hitita i Ogarita, nandefa hetra ho an' i Ejipta indraindray, ary nihazona fifandraisana ara-barotra sy ara-diplômatika tamin' i Sipra, (izay nantsoina hoe Alashiya tamin' izany fotoana izany), voarakitra an-tsoratra ao amin' ny tahirin-tsoratra azo tao amin' ilay toerana ary nohamafisin' ny tanimanga mikeniana (na miseniana) sy sipriôta hita tao. Ny pôlitika dia tonga tamin' ny fara tampony tamin' ny manodidina ny taona 1450 tal. J.K. mandra-paharavany tamin' ny manodidina ny taona 1200 tal. J.K. Ity fandravana ity dia mety ho vokatry ny nataon' ireo Vahoakan' ny Ranomasina na ny ady an-trano tamin' ny Andron' ny Alimo.