Ny Nupedia dia tetikasan-drakipahalalàna naorin'i Jimmy Wales tamin'ny 9 Marsa 2000 izay niasan'i Larry Sanger amin'ny maha lehiben'ny fanontana azy, sady nahazo famatsiam-bola tamin'ny orinasa Bomis. Miavaka amin'ny Wikipedia izy noho izy sarotiny kokoa amin'ny fampidirana lahatsoratra vaovao, noho ny komity ara-tsiansa izay mikendry hanao rakipahalalàna tsara dia tsara afaka mitaha amin'ny rakipahalalàna nataon'ny matihanina amidy eny an-tsena. Heverina ho matotra kokoa izy, nefa ny havitsian'ny mpandray anjara dia namarana ny momba azy ka nikatona tanteraka ny Nupedia tamin'ny 26 Septambra 2003. Tamin'ny fotoana nijanonany dia nisy lahatsoratra 25 nampidirina tao amin'io rakipahalalàna io, 3 hafa hita tao amin'ny Wikipedia koa ary ny 74 mbola teo an-dalam-pivoarana.

Lôgôn'ny Nupedia