I Ninive dia tanana tamin'ny Andro Taloha, renivohitry Fanjakana asiriana izay naharatra ny fara tampon'ny lazany teo anelanelan'ny taona 705 sy 612 tal. J.K., izay miorina eo amoron'ny renirano Tigrisy (na Tigra na Tigry) ao avaratr'i Iràka ankehitriny, manoloana ny tanànan'i Al Mawşil ankehitriny. Vohi-pihaonan'ny lalana maro miampita an'i Tigrisy falehan'ny mpivarotra i Ninive. Efa tany amin'ny andron'ny Vatovao talohan'ny taona 6000 tal. J.K. ny nanorenana azy. Atao hoe Ninua na Ninuwa i Ninive amin'ny teny akadiana نينوه / Naynuwa amin'ny teny arabo, ܢܝܢܘܐ amin'ny teny arameana ary נינוה / Nīnwē amin'ny teny hebreo.