Masindahy Nikôla

(tonga teto avy amin'ny Nicolas de Myre)
Masindahy Nikôla
Ankapobeny
Anarana Masindahy Nikôla
Teraka 15 Marsa 270
Maty 6 Desambra 343
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Masindahy Nikôla na Nikôla avy any Myra na Nikôla avy any Bary, na Nikôlasy avy any Mira na Nikôlasy avy any Bary, dia Grika teraka tany Patara (Πάταρα) any Likia (Λυκία) tamin' ny taona 270 tany ho any ary maty tany Mira (Μύρα) tamin' ny taona 343. Evekan' i Mira tany Likia, mety nandray anjara tamin' ny Kônsily voalohany tao Nikea izy tamin' izany niady tamin' ny arianisma.

Ao amin' ny fitantarana dia tsy isalasalana fa afangaro amin' i Abe Nikôlà avy any Sion, mpanorina mônastera iray tamin' ny taonjato faha-6, akaikin' i Mira, any Likia izy. Avy any Azia Minora i Masindahy Nikôlà dia niditra tao amin' ny mônastera tao Sion ary lasa arsevekan' ny Fiangonana Metrôpôlitanan' i Mira; noho izany, dia azo inoana fa nandray anjara tamin' ny Kônsily Voalohany tao Nikea izy, nanohitra ny arianisma. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-11 dia nentin' ny mpivarotra italiana ny relikany avy any Mira nankany Bary (ao Italia ankehitriny) izay nisy bazilika naorina mba handevenana azy.

Ny misy an' i Lycia ao Azia Minora.

Teraka tany Patara (grika: Πάταρα / Patara) any Likia (grika: Λυκία / Lykia) ao amin' ny faritr' i Anatôlia na Azia Minora tamin' ny 15 Marsa 270 tany ho any izy ary maty tao Mira (grika: Μύρα / Myra) tao Likia ihany tamin' ny 6 Desambra 343.

Ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa sy ny Fiangonana katôllika koa dia i Masindahy Nikôlà no olo-masina mpiaro ny ankizy, ny virjiny, ny tantsambo ary ny mpivarotra. Malaza ho mpanao fahagagana koa izy.

Ny iray amin' ny fitantarana maro miely patrana momba azy dia miresaka ny amin' ny fanomezana nozarainy mangingina ho an' ny zanakavavy telon' ny lehilahy mahantra iray, izay tsy afaka nanome azy ireo, ka saika handao azy ireo ho amin' ny fiainana feno fahotana. Ity angano ity no niandohan' ny fomba fizaràna fanomezana miafina atao any amin' ny faritra sasany any Eorôpa amin' ny alin' ny fetin' i Masindahy Nikôlà, amin' ny 6 Desambra.

Ny fivavahana aminy dia voaporofo fisiana nanomboka tamin' ny taonjato faha-6 tany Atsinanana ary niely tany Andrefana avy any Italia nanomboka tamin' ny taonjato faha-11. Nantsoina ho mpiaro firenena maro sy ny antokon' asa maro izy; olo-malaza amin' ny hagiôgrafia kristiana izy ary anisan' ny olo-masina hajaina indrindra ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa, nalaza, ankoatra ny hafa, noho ny fahagagana maro nataony.

Ny fetin' i Masindahy Nikôlà dia ankalazaina amin' ny 6 Desambra, indrindra any amin' ny firenena eorôpeana maromaro: any Belzika, any Loksemborga, any Nederlandy, any Alemaina, any Frantsa (indrindra fa any Lorraine sy Alsace), any Soisa, any Espaina ary any Italia.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.