Nagada I no anarana iantsoana ny kolontsaina talohan' ny tantara tao Ejipta Ambony, teo anelanelan' ny taona 4000 sy 3500 tal. J.K. Tany amin’ ny taona 5000 tal. J.K. no niseho ny sivilizasiona voalohany azo faritana mazava, dia ny sivilizasiona badariana, izay nomena izany anarana izany araka ny anaran' ny toerana niforonany atao hoe Badary (Badari) izay hita tany amin' ny Ejipta Ambony. Maro ireo vato fisaka voasa izay manaporofo ny efa nisian' ny olombelona tany amin' ny taona 500 000 tal. J.K. Izao mantsy ny zava-nisy: ireo mponina tao Sahara dia voatery nanakaiky ny faritra mando noho ny fihamainan' i Sahara, niorim-ponenana tao amin' ny lembalemban' i Fayum sy tao amin' ny lohasahan' i Nily. Tany amin' ny taona 4000 tal J.K. any ho any dia nandimby ny sivilizasiona badariana ny sivilizasiona amratiana (avy amin' ny anaran' ny toerana atao hoe el-Amrah), izay avy amin' ny kolontsain' ny mponina tao Nagada. Tao amin' ny tanàna madinika maro no nonenan' ny olona. Ireo kolontsaina badariana sy amratiana ireo dia nifanandrify amin' ny fiforonan' ny fambolena (ôrza na vary hôrdea, sy varimbazaha) sy amin' ny fipoiran’ ireo fomba fanao amin' ny maty, dia ny fandevenana.

Sarin-tany maneho ny faritra nisy ny kolontsana Nagada I

Jereo koa hanova