Ny Nabateana dia vahoaka arabo mpivarotra tamin' ny Andro Taloha izay nonina tao atsimon' i Jordania sy i Kanaana, sy tao avaratr' i Arabia ankehitriny. Taorian' ny faharavan' ny Empira Seleokida dia afaka nanitatra ny fanjakany mianavaratra izy ireo hatrany amin' ny faritr' i Damasy (na Damaskôsy). Amin' ny teny grika dia atao hoe Ναβαταῖος / Nabataîos ny Nabateana, fa amin' ny teny latina kosa dia Nabataeus. Amin' ny teny arabo izy ireo dia atao hoe الأنباط / al-ʾAnbâṭ.

Ny lalan’ ny varotra an-tanety nataon’ ny Nabataeana.

Ataon' ny mpanoratra grika-latina hoe Arabia ny anaran' ny fanjakan' ny Nabateana, nefa i Flavio Jôsefa dia mampiasa ny anarana hoe Nabatena. Ny faritry ny fanjakany dia nifanefitra tamin' ny an' i Siria, ao avaratry ny Ranomasina Mena sy ny Saikanosin' i Arabia, ary nivelatra nankany amin' i Eofrata. Tamin' ny fanitaram-panjakana nataon' i Pômpeio tamin' ny taona 64 dia lasa fanjakana nanompo an' i Rôma ny Fanjakana Nabateana, nefa nanana fahaleovan-tena ihany izy ireo amin' ny sehatra sasany. I Petra no renivohiny, izay hita ao amin' ny tanim-pirenen' i Jôrdania ankehitriny, sady ahitana trano, fasana, tempoly ary teatra voasokitra anaty vatolampy.

Namolaka ny rameva ho azo ompiana izy ireo ka afaka nanao raharaham-barotra avy any amin' ny tapany atsimo amin' i Arabia, dia mamakivaky toerana misy rano izay nanaovany fambolena. Ny faritr' izany tany rehetra nofeheziny izany dia tsy fantatra mazava. Nivarotra ny vokatr' i Arabia mankany Siria sy any amin' ny Empira Rômana ary koa nankany amin' ireo firenena any atsinanan' i Eofrata izy ireo.

Tamin' ny taona 106 taor. J.K. dia nanakambana mivantana ny Fanjakana Nabateana tamin' ny Empira Rômana ny emperora Traiano (na Trajano) ka teraka noho izany ny Faritany Rômana Arabon' i Arabia, izay nanafoana tsikelikeky ny maha mpivarotra tokana azy ireo sy ny kolontsainy.

Jereo koa hanova